Misongadina eo amin’ny fisian’ireo orinasa goavan’ny fifandraisan-davitra miaraka amin’ny fotodrafitrasa «fibre optique» i Madagasikara. Vaovao farany mampiseho ny fahantran’ny Malagasy indray anefa ny tontolon’ny aterineto.
Ny 4,30%-n’ny mponina, izany hoe Malagasy 4 amin’ny 100 monja no misitraka ity teknolojia avo lenta tena fampiasa andavanandro amin’izao taonjato faha-21 izao ity, araka ny antontanisa navoakan’ny Internet Live Stats. Mametraka ny vahoaka Malagasy any amin’ny rambony eo amin’ny filaharana manerantany io tarehimarika io ary ny toerana faha-44 amin’ireo firenena afrikanina 54. Mampikatso ny firoborobon’ny aterineto eto amintsika hatreto ny politika fitakiana hetran’ny fanjakana amin’ireo orinasa mpandraharaha mpisehatra eo amin’ny NTIC (Nouvelles Technologies de l’Information et de la Communication). Sakana goavana mampihisatra ny fampiasan’ireo mpanjifa aterineto eto Madagasikara kosa ny fampiharan’ny mpitondra mahefa ilay antsoina hoe «droit d’accise» 7%. Karazan-ketra izay natokana ho an’ny zava-pisotro misy alikaola, ny sigara ary ireo vokatra tsy natao hojifain’ny besinimaro amin’ny ankapobeny.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.