Nitsidika ny foiben’ny orinasa momba misehatra amin’ny teknolojia sy ny informatika ary ny fifandraisan-davitra “NEC” ny Filoham-pirenena Malagasy sy ireo delegasionina notarihiny, ary nitohy tao fitsidihana ny Seranantsambon’i Tokyo izany omaly 04 desambra,
iray amin’ireo lehibe indrindra manerana izao tontolo izao. Nahafahan’ny Japoney nampahafantatra tamin’ireto delegasionina Malagasy ireto ny maha efa lasa lavitra azy ireo eo amin’ny teknolojia sy ny fanamboarana fotodrafitrasa goavana ny fitsidihana. Nahafahana nijery sahady ireo vina hahafaha-miara-miasa amin’ny Japoney eo amin’izay sehatra izay, ka isan’ireny ny efa fiaraha-miasa amin’ny fanitarana ny seranantsambon’i Toamasina. Noraisin’i Nobuhiro Endo, Filohan’ny NEC i Hery Rajaonarimampianina, ka nandritra izany no nilazan’io tompon’andraikitra ambony ny fahavonany hanampy an’i Madagasikara eo amin’ny fampiroboroboana ny fahaiza-manao eo amin’ny lafiny teknolojian’ny serasera sy ny fifandraisan-davitra (NTIC). Nampahafantarina ny Filoham-pirenena nandritra io fotoana io ihany koa ireo hiaka farany amin’ny fokatra NEC. Tao amin’ny Seranantsambon’i Tokyo kosa no nahafantarana fa izy no isan’ny ahitana indostria momba ny seranantsambo govana indrindra eto maneran-tany. Nampahafantarin’ny Tale Jeneralin’ny Birao misahana ny fitantanana ity seranantsambo ity nandritra izany ny haitao sy ny fahaiza-manao momba fananganana fotodrafitrasa ao anatin’ny seranantsambo, ary isan’ny hampiharina any Toamasina izany fahaiza-manao izany. Naneho ny fahafaham-pony nandritra ity fitsidihana ity ny Filoham-pirenena. Miandry izay ho vokatra izany ny rehetra hoe ho toy ilay fampanantenana tany Frantsa ny 1-2 desambra 2016, izay nireharehan’ny fanjakana fatratra ve ny amin’ity indray mitoraka ity na koa ho toy ny “Bus intelligent”, izay ny fety aman-danonana no nandeha aloha, fa ny asa mbola aotra hatramin’izao?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.