Actualités

Tek Chuan Do Fiofanana « combat libre » mandritra ny iray volana


  • Zoma 12 Jona 2015

Hikarakara fiofanana nasionaly amin’ny « combat libre » mandritra ny iray volana ny haiady Tek Chuan Do izay noforonina teratany malagasy, Andrianaivo Thaina le Jeet, ary tafajoro ara-panjakana ny taona 2003.

 


Isaky ny alahady no hanaovana azy io eto Antananarivo ary hitety tanàna maro. Misokatra ho an’ny rehetra ny fiofanana na ireo ankizy na vehivavy na lehilahy. Isaky ny alahady maraina ny fiofanana ka amin’ny 7ora - 9 ora ny eny amin’ny dojo SabNam, amin’ny 10 ora - 12 ora ny eny amin’ny dojo Nanisana ary amin’ny 2 ora - 3 ora sy sasany ny eny amin’ny Lisea Ivato. Hanomboka ny 21 jona io fiofanana izay tsy hifarana raha tsy ny alahady 12 jolay. Hotolorana maripahaizana avokoa ireo rehetra mandray anjara araka ny nambaran’ny mpikarakara. Tsy hanavahana fa misokatra ho an’ireo olona sambany hiangaly haiady ny fiofanana ary koa ho an’ireo efa manao haiady hafa. Hisy koa amin’io fiofanana manokana hiadiana amin’ny olona mitana fitaovam-piadiana toy ny basy sy fiadiana hafa. Marihina fa i Thaina le Jeet dia manampahaizana manokana efa nampianatra ny haiady jeet kune do sy boxe thai ary ny wing chun teto Madagasikara. Taty aoriana dia niofana mikasika ny combat libre sy ny pancrace indray ny lehilahy tany Paris Frantsa ary manana ny diplaoma mifanaraka amin’izany. Ity farany moa dia nilaza fa tompomarika tamin’ny fampidirana ny pancrace teto Madagasikara saingy mbola nirona kokoa tamin’ny famoronana ny Tek Chuan Do sy nanaparitaka izany tany amin’ny faritra aloha.


Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT