Raha ankizy an-jatony maro no maty ripaky ny tazomoka mahery amin’iny tapany Avaratr’i Toliara (Milenaka, Ankililoaka ka hatrany amin’ny distrikan’i Morombe) iny. Zaza maherin’ny 200 ankehitriny no matin’ity aretina ity ao amin’ny kaominina ambanivohitra Miara Miralila any amin’ny distrikan’i Sakaraha. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana,
tao anatin’ny dimy volana no tena nirongatra ny aretina, ka ireo tanàna amoron-drano na toerana misy/ahitana rano miandrona no tena lasibatry ny tazomoka mahery no betsaka maty. Tao anatin’ny roa andro monja, ankizy 45 maty tao Miara Miralila. Tsy mbola nahazoana tarehimarika matotra kosa ny amin’ireo tanàna sy kaominina hafa any amin’ny distrikan’i Sakaraha, raha ny vaovao voaray hatrany.
Tara ny fandraisana andraikitry ny fanjakana
Noho ny fomban-tany sy ny honohono fa aretin-dolo (angatra) no mahatonga aretina mandripaka ankizy ity, antsoin’ny mponina any an-toerana hoe : « Fanompoa ». Mamonjy ombiasy ny ankamaroan’ireo ray aman-dreny manana zanaka marary na manao dokotera tena manome « paracétamol » ny zanany. « Efa miombo sarotra sitrany ny aretina vao mamonjy tobim-pahasalamana ny olona. Io no maha betsaka ny maty », hoy ny mpitsabo iray any an-toerana, azo an-telefaonina. « Tara ny fandraisana andraikitry ny fanjakana. Ny mponina miantehitra amin’ny fomban-tany. Ny dahalo mandravarava fananana sy mamono. Mirarakopana ny faty, valalanina ny vahoaka tototry ny krizim-piainana », hoy ity ben’ny tanàna iray ao Sakaraha.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.