Raikitra ny fanenjehena ireo fiarakaretsaka tsy manara-dalàna miasa eto an-drenivohitra tanterahin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra na ny « Operation taxi ».
Efa nanomboka ny asa. Hatramin’ny omaly dia fiarakaretsaka miisa 13 no napetraka eny amin’ny « centre de contre-visite service voirie » eny Antsakaviro noho izay antony izay. Ny sampandraharaha misahana ny fitaterana eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo sy ny Polisy monisipaly ary ny Polisy nasionaly no miaraka manatanteraka ny hetsika amin’izany. Sazy hentitra no omena ireo fiarakaretsaka sandoka amin’izany satria dia tsy manana taratasy ara-dalàna izy ireo fa mampiasa taratasy fiara tsotra fotsiny (papier voiture plaisir). Ampidirina « fourrière » 10 andro no sady asaina mandoa ny saran’izany. Asaina lokoin’ny tompony loko tsy mitovy amin’ny fiarakaretsaka ihany koa ilay fiara ary tsy mahazo manao taxi intsony raha tsy mahafeno ny antontan-taratasy rehetra mifandraika amin’izany. Nanambara moa Atoa Landy Raveloson, talen’ny sampandraharaha misahana ny fitaterana fa hitohy hatrany ity hetsika ity mba hanafoanana ireo fiarakaretsaka rehetra tsy manara-dalàna. Na ireo ara-dalàna aza ka manao ny tsy mety dia henjehina ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.