Actualités

Taxi tsy ara-dalàna Andro aman’alina ny fanenjehana


  • Alakamisy 10 Aogositra 2017

Mitohy hatrany ny ezaka hataon’ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny famongorana ireo fiara karetsaka tsy ara-dalana eto amintsika.

 

Ho an’ireo 15 isa efa tratra teo aloha dia efa nampidirina fourriere nandritra ny folo andro izy ireny, raha araka ny fanazavan-dRaveloson Landy, tale misahana ny fitaterana eo anivon’ny kaominina, nasaina nandoko ny fiarany ho loko hafa ihany koa ho an’ireo nangalatra ny loko beige crème izay vao nahazo ny antontan-taratasin’ny fiarany. Mbola hitohy hatrany izany raha araka ny fanazavany ka  manomboka amin’ny faran’ny volana dia hisy ny asa  mitohy   eny fa na dia amin’ny andro alina aza. Na izany aza anefa dia nomarihiny  fa mbola vao eo an-dalam-pamolavolana izany tetikasa izany ny teniny miaraka amin’ny filohan’ny fikambanan’ny fiara karetsaka eto an-drenivohitra. Mikasika ny tokony hanafoanana ilay soratra TAXI eo amin’ny valahin’ny  fiarakaretsaka amin’izao fotoana dia nomarihiny manokana fa efa nisy ny resaka nifanaovany tamin’ny sampandraharaha misahana ny fitsarana fiara noho izany tsy tafiditra ao anatin’ny fepetra hitsarana ny fiara karetsaka intsony izy ireny.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT