Actualités

TAXI-BE AN’I MAHITSY Leo ny teny ratsin’ireo mpamily ny eny Antohomadinika


  • Sabotsy 07 Janoary 2017

Ela ny ela fa leon’ny teny ratsin’ireo mpamily sy ny tabataban’izy ireo ny Fokontanin’Antohomadinika.

Handray fepetra izy ireo araka izany ka fantatra fa tsy mahazo miantsona eo amin’ny toby fiantsonany etsy Antohomadinika intsony manomboka ny Alatsinainy ho avy izao izay taxi-brousse miazo an’i Mahitsy rehetra tsy manara-dalàna. Diso be loatra mantsy ny  tsy fanarahan-dalàna hataon’ireo taxi-be  miazo an’i Mahitsy ireo hoy ny sefom-pokontany  toy ny fitabatabana vao maraim-be manakorontana ny mponina, ny teny ratsy sy ny teny maloto tsy fihainon’olom-pady, ny fanaovana maloto any an’elakelan’ny fiara izay miteraka fofona manamaimbo ny tanàna… Amin’ny ankapobeny ihany koa hoy izy dia fiara miisa sivy ihany no tokony ho zakan’ity toby fiantsonana ao Antohomadinika ity saingy noho ny fiaraha-miasa  nisy hatramin’izay dia niezaka ny nandefitra ny Fokontany sy ny mponina. Nanambara moa itsy voalohany fa efa eo am-pikarakarana ny taratasy mifandraika amin’izany alefa amin’ny isan’ambaratongany ny tenany mba ho tombontsoan’ny mponina. Nilaza kosa anefa ireo mpitatitra rehefa nohadihadiana fa misy fijerena tavan’olona ity fanalana azy ireo eo Antohomadinika ity noho izany  tsy hihetsika eo amin’ny toerany izy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT