Tsy handalo fotsiny ity taona vaovao 2017 ity ho an’ny tarika Spesialista. Fomba fiasa sy fijery vaovao ihany koa mantsy no hoentiny hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy azy raha araka ny fanazavan-dRandrianasolo Hugues lehiben’ny tarika.
Lohalaharana amin’izany ny famoahana ilay raki-kirany fahatelo tena raitra mirakitra ireo karazan-kira nahafantarana ny tarika hatramin’izay na Best of. Hiavaka io raki-kirany io, hoy hatrany ny lehiben’ny tarika na ilay antsoina hoe : voatokana mihitsy satria dia hampidirina ao anatin’io raki-kira io ihany koa ireo karazan-kira taloha mbola tavela any am-pon’ny mpankafy nahafantarana ireo mpanakanto avy any amin’ny faritra maro samihafa toy ny tarika Dorce Groupe izay hohirain’ny tarika Spesialista. Any amin’ny tapak’ity taona vaovao 2017 ity no fantatra fa hamoahan’izy ireo raha tsy misy ny sampona. Manantena ny hitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny mpankafy azy rehetra ny tarika, araka izany. Marihina fa tsy mionona fotsiny amin’ny fampisehoana ny tarika fa afaka manafana lanonana ihany koa ho an’ireo izay mila izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.