Ho fanohizana ny fankalazana ny faha-20 taona nijoroan’ny tarika Ny ainga dia hitohy eny amin’ny kianjan’i Madera Anosivavaka Ambohimanarina
indray ny fampisehoana hotanterahin’izy ireo. Ekena fa mialoha ny fanadinana bakalôrea ny fampisehona saingy ilaina ihany koa ny manangona hery ho an’ny tena mialoha ny hiatrehana ny fanadinana, hoy i Om-Guy lehiben’ny tarika. Hisy ny fanomezana tso-drano izay hiatrika izany mandritra ny fampisehoana ho fanampiana azy. Famoahana boky mirakitra ny tantaran’ny tarika sy raki-kira evanjelika no tsangambato hanamarihan’izy ireo izay faha-20 taonany izay.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.