Actualités

Tarika Mahaleo Voarakitra anaty boky 100 takila ny tantarany


  • Alarobia 15 Febroary 2017

Mankalaza ny faha-45 taona niorenany ny tarika Mahaleo, tarika iray anisan’ny fanta-daza eto Madagasikara sy any ivelany noho izy

 miezaka mivoy hatrany ny kolontsaina Malagasy  sy ny fiteny Malagasy ary ny fifandraisany amin’ny tany. Hita taratra ao anatin’ny hirany ireo rehetra ireo ankoatra ny anatra entiny ho an’ny manam-panahy rehetra. Fampisehoana goavam-be hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina no hisantarany izany ny alahady 19 febroary ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora folakandro. Hizara roa na telo ny fotoana amin’io andro io. Ankoatra ny fiangalian’ny tarika ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay dia hisy ihany koa ny fihirany ireo hira vaovao  tsy mbola faheno hatramin’izay. Ny fampisehoana dia tohanan’ny vondrona Star, vondrona iray efa teo anilan’ny tarika am-polony taona maro.  Hisy, mandritra izany, ny famoahana boky 100 pejy mirakitra ny tantaran’ny tarika Mahaleo sy ireo hira nampalaza azy  izay hovokarin’ny vondrona Star.  Hitohy mandritra ity taona 2017 ity ny fankalazana. Nomarihin’i Dama manokana moa fa ny taona 1972 no naha Mahaleo ny tarika Mahaleo tamin’ny alalan’ny fisontoman’izy ireo ny foto-kevitra nijoroan’ny tanora tamin’izany fotoana. Miantso ireo tanora mba hijoro hatrany amin’ny fitiavan-tanindrazana ny tarika, indrindra fa ny famaliana babena ny tany fa tsy ho variana fotsiny amin’ny fanjifana mba ho fitsinjovana ny taranaka faramandimby. Toraka izany koa ny fanandratana ny teny Malagasy izay lasa mahamenatra ny sasany ankehitriny  ny fampiasana nefa tenindrazany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT