Tratran’ny fahatarana ara-pitomboana ny 47%-n’ny zaza Malagasy latsaky ny 5 taona. Mitana ny laharana fahefatra manerantany noho io salan’isa io i Madagasikara.
Parlemanta manerantany
Nanomboka omaly tao New York ny fikaonandoha manerantany ho an’ireo filohan’ny parlemanta andiany fahefatra. Lohahevitra ny fihaonana mandritra ny 3 andro ny fandriampahalemana, ny demokrasia ary ny fampandrosoana araka ny fahitan’ireo parlemantera azy.
Tontolo ambanivohitra
Mifantoka amin’ny fitsinjovana ny fiahiana ara-tsakafo, fanatsarana ny famokarana, fampiroboroboana ny sehatra ara-barotra sy tontolon’ny tsena, fahaiza-mitantana ary ny fiatrehana ny loza ara-boajanahary ny fandaharanasa nasionaly ho fampandrosoana ny fambolena, fiompiana ary ny jono. Mitentina 9.258 miliara ariary mahery moa ity programa 2016-2020 ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.