Actualités

Tapatapany Setroka


  • Zoma 13 Novambra 2015

Efa ho roa andro izao dia niverina indray ny setroka be eto Antananarivo renivohitra. Raha ny fanazavana voaray dia ny doro tanety any atsinanana amin’ny faritr’i Moramanga iny no tena mahatonga io setroka be io.

 


Fampiasam-bola 

 16,9%-n’ny harinkarena anatiny ny salan’isan’ny fampiasambola eritreretina ampiasaina amin’ny taona 2016. Avy amin’ny sehatra tsy miankina ny 11,8% amin’izany raha 5,1% kosa ny fandraisana anjaran’ny avy amin’ny fanjakana.

Andekaleka 

Ahitana fahasimbana ny fantson-drano mpitondra herinaratra ao Andekaleka. Hiroso amin’ny fanamboarana izany manomboka anio zoma moa ny eo anivon’ny Jirama izay haharitra 3 andro mba hisorohana ny mety hiverenan’ny delestazy, araka ny fanazavana.

Nosy Malagasy 

Tokony ho fananan’i Madagasikara madiodio ireo nosy manodidina an’i Madagasikara, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ny jeneraly Rakotozafy Dominique nandritra ny fahatsiarovana ny 70 taonan’ny Ady lehibe faharoa. Tsara ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara ka azo atao ny mifampidinika ao anatin’ny filaminana, hoy izy.


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT