Lehilahy iray, 38 taona, hita maty teny Masay omaly. Mpaka vilona no nahita azy feno fotaka. Mipetraka eny manodidina ihany izy. Mbola hitan’ny olona nanasa lamba teo izy ny maraina, mbola niahy teo rahateo ny lamba nosasany, niaraka tamin’ny entana ao anaty harona “sachet” anankiroa.
Analamahitsy
Nasiam-panovana nanomboka ny alarobia lasa teo ny lalan’ny taksibe zotra 183 miainga eny Ambatobe. Tsy midina avy hatrany eny Analamahitsy ny taksibe amin’io zotra io fa mihodina any Nanisana vao miakatra an’Analamahitsy rehefa hihazo an’Analakely-Anosy na 67ha. Fandaminana ny fifamoivoizana no voalaza fa antony, miditra rahateo ny Lycée Français.
Fianianana
Zandary niisa 496 no nanao fianinana tao amin’ny Fitsarana Anosy omaly, ka ny 98 amin’ireo «Officiers de Police Judiciaire (OPJ)» mpanao famotorana, ary 398 «Agents de Police Judiciaire (APJ)» miara-miasa amin’izy ireo.
Ankatso
Hiato ny hetsika fitakiana ataon’ny mpianatra eny Ankatso amin’ity herinandro ity, hanamorana ny dinika mankany amin’ny fiverenan’ny fampianarana eny amin’ireo fakiolte sy sampam-pianarana ambony.
Tolagnaro
Potika ireo lalana vita tara sy rarivato ao an-tampon-tanànan'i Tolagnaro. Izany dia vokatry fanamboaran'ny Jirama ireo fantson-dranony. Saika isaky ny kartie dia ahitana fahasimbana avokoa. Manampy fotsiny ny fanasana fiarakodia eny amin'ny arabe manimba lalana.
Belo Tsiribihina
Nisy alika romotra nirenireny tao an-tampon-tanànan’i Belo Tsiribihina omaly. Natahorana sao hanaikitra olona izy io, ka nifandrimbonan’ny rehetra ny nanenjika sy namono azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.