Actualités

Tapatapany CUA


  • Alarobia 04 Novambra 2015

Foana tanteraka ny kitapom-bolan’ny kaominina Antananrivo renivohitra hoy Atoa Patrick Ramiaramanana,lefitra voalohan’ny ben’ny anàna, ka ilaina ny fiaraha-miasa aminireo mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola hahafahana miasa.

 

 


Toetrandro 

Manomboka hirotsaka amin’izay ny orana voajanahary taorian’ny fandrotsahana orana artifisialy eto Antananarivo. Haharitra hatramin’ny alakamisy izany, araka ny vinavinan’ny famantarana ny toetrandro.

Solika 

Kaompania mpaninjara solika iray sisa no mandray ireo antontan-taratasin-tsolika avy amin’ny fanjakana. Efa mananika ny arivo tapitrisa ariary mantsy ny trosan-tsolika tsy voaloan’ny mpitondra mahefa ankehitriny.

Tetibola 2016 

 Efa tonga eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny volavola tetibolam-panjakana 2016, hoy ny praiminisitra Ravelonarivo Jean. Manodidina ny 10,4% ny tahan’ny fitakiana hetra amin’io taona ho avy io, araka ny fanazavany.

Fifidianana

Tsy mbola voafaritra mazava aloha hatreto ny tetibola ilaina amin’ny fanatanterahana ny fifidianana loholona eto amintsika.Eo am-pandinihana ny amin’izany mihitsy amin’izao fotoana ry zareo amin’ny CENI.

Vatsim-pianarana 

Mpianatra Malagasy miisa 21 no nahazo vatsim-pianarana avy amin’ny fanjakana algerianina. Hihazo an’i Algeria ny sabotsy izao ireto mpianatra teratany Malagasy ireto.

Tahiry fampandrosoana 

Hisitraka 200 tapitrisa ariary avokoa ireo distrika 119 manerana ny nosy. Tahiry fampandrosoana izay voasoritra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2016.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT