Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 02 Jona 2010


Minisitry ny Fitsarana : Nitondra valin-kafatra ho an’ireo sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara ny minisitry ny fitsaranan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Razanamahasoa Christine ny mikasika ilay fanambarana nataon’iretsy voalohany ny amin’ilay karazana faneriterena mahazo azy ireo amin’ny famoahana didy. Nambarany fa tsy misy ny faneriterena ary tena manana ny fahaleovantenany tokoa ny mpitsara eto Madagasikara. Na inona na inona, hoy ihany Ramatoa minisitra fanapahan-kevitra raisin’izy ireo dia inoako fa ho matotra izany ary tsy hisy hifandraisany velively amin’ny toe-draharaham-pirenena. 

Savorovoro : Nisavoritaka ny asa tao amin’ny seranam-piaramanidina Fasheny Nosy Be omaly maraina. Nitokona niasa ny mpiasan’ny Air Madagasikara raha tsy navoaka ny toerana nitanana azy ny naman’izy ireo nosamboran’ny Polisy ny harivan’ny alatsinainy rehefa nifandona tamina Italiana solontenan’ny Air Italia ao an-toerana. Nanda ny hisavana pasipaoro ny mpandeha amin’io kaompania io ilay Italiana saingy tsy nanaiky izany ilay mpiasa gasy ka dia tonga tamin’ny fifampikasihan-tanana. Naneho firaisankina ny samy Malagasy ary dia nihitsoka ny asa tamin’ny fotoana nahatongavan’ny sidina avy any Italia ataon’io kaompania io. Taorian’ny fifampidinihana dia navotsoka ilay mpiasan’ny Air Mad. Nandray ny asany taorian’izany ireo namany. Nafindra toerana ilay Italiana fototry ny savorovoro.
 
Vonona : Vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fakan-kevitra amin’ny fandrafetana ny lalàmpanorenana vaovao ny fikambanana MAMAFISOA, tarihin’ny filohany Rajemison Rakotomaharo. Tafiditra ao anatin’izany ny fahavononan’izy ireo handray izay tandrifiny amin’ny fampitana ny tetezamita mankany amin’ny repoblika faha-4 hitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka.
 
Mitokona : Mbola mitokona tsy manohy ny fianarany hatramin’ny omaly talata ireo mpianatra eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy any Toamasina. Noho ny valin-tenin’ny minisitra tamin’ny fitakiana nataon’izy ireo izay tsy nahafa-po azy no anton’izany araka ny vaovao voaray. Ankoatra izay dia miteraka resabe ihany koa ny mikasika ilay mpianatra iray nodomin’ny moton’ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana ka namoy ny ainy.
 
Ranomafana : Nikatona nanomboka omaly fiandohan’ny volana jona ary haharitra iray volana ny Centre Thermal ao Andranomafana any amin’ny distrikan’Antsirabe. Noho ny fikojakojana ireo fitaovana sy fantsona mitondra ny ranomafana mankao amin’ity toerana ity no anton’izany izay tsiahivina fa efa fanao isan-taona.
 
Mampanahy : Saika tanora mpianatra manodidina ny 12 ka hatramin’ny 18 taona ny ankamaroan’ireo olona mifoka sigara eto an-drenivohitra. Naneho ny heviny sy ny fepetra tokony horaisina mikasika izany ny tambajotran’ny tanora IRIN sampana Madagasikara dia ny tokony hampiharana sy hanamafisana ny lalàna mifehy azy ireny ho fitsinjovana ny ho aviny. Nasiany resaka manokana ny mikasika ireo mpianatra eny anivon’ny Ceg sy Lycée izay efa hampiharana sazy tokoa raha sendra tratra mifoka sigara nefa tsy ampy.
 
Anosy : Tanora 20 monja tamin’ireo 100 niatrika fifaninanana narahina sivana hentitra nampanaovin’ny CRFPTA tany amin’ny Faritra Anosy no afaka soa aman-tsara ary nanomboka niatrika ilay fiofana arak’asa hiarahany amin’ny QMM nanomboka ny fiandohan’ny volana mey lasa teo. “Contrat d’apprentissage” no anaran’ilay tetikasa, natokana ho an’ireo tanora afaka baka. Lalam-piofanana efatra no arahina mandritra izany ka ny CRFPTA avokoa no miandraikitra ny an-tsoratra sy ny am-bava raha an’ny QMM kosa ny fampiharana.
 
Mariboninahitra : Notanterahina ny zoma teo tao amin’ny orinasa Galana Manangareza Toamasina, ny lanonana fametrahana mariboninahitra ho an’ireo mpiasa mendrika sy nahavita be, amin’izao fankalazana ny faha-10 taonan’ny orinasa Galana izao. Notoloran’ny Galana medaly volamena koa ny Ben’ny tanànan’i Toamasina renivohitra Dr Rakotomanana Gervais sy ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina. Ity farany moa tsy tonga tamin’io fotoana io.
Maintirano : Mahatratra dimy isan’andro ankehitriny ny antontan-taratasy mikasika ny halatr’omby dinihina eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Maintirano. Izany no atao dia hanohanana ny ezaka nataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT