Fitsarana : Hiakatra fitsarana anio i Ambroise Ravonison na Tonton Ambroise hiditra amin’ny fanadihadiana lalina momba ny faniratsirana mpitondra ambony, izay vesatra anenjehan’ny fitsarana azy. Ny 15 mey no voasambotra tao amin’ny radio Fréquence Plus i Tonton Ambroise, ny 17 mey izy no nampidirana am-ponja vonjimaika eny Antanimora rehefa nandalo tao amin’ny fampanoavana. Nolavin’ny Fitsarana ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny mpiaro azy teny amin’ny fitsarana ny alakamisy teo. Anio no hivoaka ny didim-pitsarana momba azy.
Nahatsiaro : Nandritra ny fetin’ny Reny dia niarahaba sy nanolotra fanomezana ho an’i Rosette Vital vadin’ny Praiminisitra ireo vadina miaramila miasa ao amin’ny fiadidiana ny Praiminisitra eny Mahazoarivo sy polisy vavy ihany koa. Teny Analamanga Park no nanatanterahana ny lanonana ny sabotsy 29 mey teo. Diabe niarahana no nisantarana izany ary notohizana tamin’ny lalao ara-panatanjahantena ary fiaraha-misakafo. Nahatsiaro manokana sy niarahaba ny Reny malagasy ihany koa i Mialy Rajoelina.
Holafitry ny farmasiana : Hanatanteraka atrikasa momba ny ady atao amin’ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna etsy sy eroa ny holafitry ny farmasiana. Ny 02 ka hatramin’ny 05 jona ho avy izao no hanatontosany izany ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra. Hifanome tanana azy ireo mandritra izany ny antenimieran’ny varotra any an-toerana sy ireo orinasa mpamokatra ranom-boankazo.
Imadiala : Hitolona hatramin’ny farany ny vahoakan’Imadiala hangataka ny hanaovana ity tanàna iray ity ho distrika faha-5 ao anatin’ny faritra Amoron’i Mania. Efa hatramin’ny ela no nangatahin’izy ireo izany, araka ny vaovao voaray, saingy tsy mety tanteraka. Mitohy indray noho izany ny fitakiana.
EKAR : Tafapetraka tamin’ny toerany ny Arsevekan’i Toamasina vaovao, Mgr Tsarahazana Désiré. Mpino katolika roa alina mahery no niombom-po tamin’ny sorona masina lehibe natao teo an-tokotanin’ny sekoly Stella Maris omaly. “Reseo amin’ny tsara ny ratsy”, izay moa no filamatry ny Arseveka vaovao. Tsiahivina fa Toamasina no arsidiosezy katolika faha-5 eto Madagasikara.
Isan-kerintaona : Notanterahina omaly ny isan-taonan’ny Toby Soatanana-Ilafy. Fanokanana mpiandry 10 mianaka no nanamarihana izany. Hateloana no naharetan’ity isan-kerintaona faha-29 ity, fotoana nilomana am-bavaka sy nanaovan’ireo notokanana asam-piraisana. Afaka miasa amin’ireo toby lehibe 4 dia Soatanana, Manolotrony, Ankaramalaza, ary Farihimena ireo mpiandry vao notokanana ireo, ankoatra ireo fiangonana loterana manerana ny Nosy. Anisan’ireo nitarika ity fotoan-dehibe ity moa Dada Rajosoa, raiamandreny avy amin’ny toby lehibe Soatanana.
Rivodoza Joel : Namela takaitra ho an’iny faritra atsimon’i Madagasikara iny ny fandalovan’ilay rivodoza Joel. Roa no avotra ary iray hita faty tamin’ireo mpanjono 18 tsy hita popoka, raha 40 mahery kosa no naratra. Ankoatra izay dia 540 mahery ireo traboina ary 350 mahery koa ireo tsy manan-kialofana ao Ampanihy. An’arivony ireo trano rava sy tratry ny tondra-drano, teo koa ireo biby fiompy maty.
Fahombiazana : Fahombiazana tanteraka no azon’ny Tsiky Events tamin’ilay rindran-kira goavana ho an’i Neny niarahany tamin’i Poopy sy Bodo tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra, ny sabotsy alina teo. Feno hipoka ny tranoben’ny kolontsaina ary saika vehivavy sy Renim-pianakaviana avokoa ny ankamaroany.
Miralenta : Tafatsangana any amin’ny faritra Atsinanana ny fikambanana Mira lenta. Ny sabotsy lasa teo no nanatontosana ny lanonana tany an-toerana izay manana tanjona hanofana ireo tanora mihoatra ny 18 taona ho matihanina amin’ny asa sahaniny. Tsy latsa-danja amin’izany ny fandraisan’ny fikambanana an-tanana ny fahasalamana ara-pananahan’ny tanora izay tetikasa hotanterahin’izy ireo voalohany.
Hetra : Nahazo masoivoho fandoavan-ketra vaovao ry zareo any amin’ny distrikan’Andramasina. Ny faran’ny herinandro teo no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa, natao hifanentanan’ny vahoaka ao anatin’ireo kaominina 12 amin’ny fandoavan-ketra.
Paikady : Naneho ny heviny mikasika ny fanambaran’ny filohan’i Andry Rajoelina ny tsy hilatsahan’ity farany hofidiana ho filoham-pirenena sy ny hialany tsy ho filohan’ny ankolafy Tgv ny vovonamben’ny tanora. Nambaran’ity fikambanana ity fa paikady hivoahana amin’ny krizy avokoa izany rehetra izany ankoatra ny fametrahana ho ambany ny hambom-po noho ny fitiavan-tanindrazana.
Tsena : Tsara ny tsenan’ny fetin’ny Reny nanomboka ny sabotsy raha ny teto an-drenivohitra manokana no hasian-teny. Ireo kojakojan-dakozia toy ny vilany sy lovia ary vera no be mpividy indrindra izay nanodidina ny 3.000 Ar ka hatramin’ny 40.000 Ar. Nahazo ny tandrify azy toraka izany ihany koa ireo mpamono fanomezana na dia mandia lalan-tsarotra aza ny firenena.
Analavory : Feno 60 taona ny sekoly ambaratonga faharoa ao Antanetimboahangy, kaominina Analavory. Ho fanamarihana izany dia hifanome tanana amin’ny fanamboarana tranon-tsekoly fanampiny vaovao ny kaominina sy ny Ray aman-drenin’ny mpianatra izay tafiditra sahady ao anatin’ny tsangambato. Nisy ny fanoloran’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena solosaina ho an’ny sekoly nandritra izany.
Tsy mifanipaka : Namaly ny fanontanian’ireo ankolafy mikasika ny Pretoria 2 ny tompon’andraikitra voalohany hikarakara ity fihaonambem-pirenena ity. Nambaran’ity farany fa tsy mifanipaka velively amin’ny Pretoria 2 ny fihaonambem-pirenena. Ny tanjona mantsy hoy izy raha sanatria tsy tanteraka ny Pretoria 2 dia efa mba nahavita ny fihaonambem-pirenena isika, nandraisana ny hevitry ny ankolafin-kery sy ny fironana rehetra hamahana ny krizy misy eto amin’ny firenena.
Nangonin’i Pati sy Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.