Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 27 Mey 2010


Hotsaraina : Hiakatra fitsarana anio tolakandro i Tonton Ambroise. Nosamborina tao amin’ny radio Fréquence Plus ny sabotsy 15 mey 2010 izy raha nandray anjara tamin’ny adihevitra mivantana tao amin’io onjampeo io tamin’io andro io. Faniratsirana ny mpitondra ambonin’ny FAT no anisan’ny anenjehan’ny fitsarana azy. Marary mafy ary nahazo taratasy fanamarinana avy amin’ny dokoteran’ny fonja mba hizaha fahasalamana ivelan’ny fonja saingy tsy mbola tanteraka izany. 

Latsa-dranomaso : Tsy hiditra amin’ny resaka politika no sady tsy hifandray amin’ireo mpanao politika intsony i Rossy fa hiverina amin’ny asany namantaran’ny maro azy dia ny hira. Nambarany nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety omaly teny amin’ny trano fonenany eny Mahamasina fa efa voaloany ny trosany ary efa vita koa ny adidiny tamin’ny mpanao politika na ny mpitondra sy mpanohitra ankehitriny na ireo teo aloha rehetra koa. Feno dia feno ny fony ka latsa-dranomaso no sady tsy nahaloa-peo nandritra ny minitra vitsy ny tenany nandritra ny fotoana nanaovany fanambarana.
 
Tany tan-dalàna : Namoaka fanambarana ny Ben’ny tanàna sy ireo mpanolotsaina eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Manakara mikasika nydidim-pitondrana laharana 12495/2010 navoakan’ny praiminisitra lefitra misahana ny atitany teo aloha Manorohanta Cécile, ny amin’ny namerenan’ity farany indray amin’ny toerany ireo delegasiona teo aloha niadidy ny tanàna. Tany tan-dalàna i Madagasikara, hoy iretsy voalohany koa toherinay hatramin’ny farany ny fanaparam-pahefana tahaka izao izay mety hiafara amin’ny savorovoro sy ny fanakorontanana ny saim-bahoaka.
 
Laharam-pahamehana : Tsy mitsaha-milofo amin’ny asa fananganana sy fanatsarana ireo fotodrafitrasa efa misy ao aminy ny kaominina ambonivohitra Antsirabe na dia maro aza ireo mamadika izany ho resa-politika. Ho an’ny tsenan’Asabotsy manokana dia nanazava ny lefitry ny Ben’ny tanàna fa ho fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina sy hahafahana mampitombo ny vola miditra eo anivon’ny kaominina no tanjona. Ho an’ireo fotodrafitrasa hafa eny anivon’ny Fokontany indray, hoy ihany izy dia ny fandrindrana ny fitobian’ny mponina no tena laharam-pahamehana.
 
Savorovoro : “Malagasy Tonga Saina, MTS, hanova ny fiainanao”, no lohahevitry ny famoriam-bahoaka nataon’ny MTS tao amin’ny Stadium Barikadimy Toamasina ny alahady 24 mey tontolo andro. Nandritra izany no nisian’ny tombola natao hahazoan’ireo mpandray anjara fanomezana maro. Niafara tamin’ny savorovoro sy korontana anefa izy ity. Tsy vita hatramin’ny farany mantsy ilay fisarihana ny tombola noho ny andro alina. Tapitra nalain’ny olona ireo loka ho an’ny tómbola tsy mbola voazara, anisan’izany ireo VTT ambiny, ny kahie samy hafa ary ireo vary tao anaty harona sachet niisa 100. Efa tsy tao an-toerana i Roland Ratsiraka, filohan’ny MTS, nandritra izany.
 
Nitondra soa : Nitondra soa betsaka ho an’ny vahoaka malagasy ny fisian’ilay tetikasa mailaka teo anivon’ny Minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, hoy ny Minisitra tompon’andraikitra teo aloha Augustin Andriamananoro raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Antaninarenina izy omaly. Tetikasa izay nitondra ireo tanora mpianatra ho amin’ny sehatra ambonimbony kokoa, indrindra ireo mpianatry ny oniveriste. Tsiahivina fa anio no hotontosaina ao Antaninarenina ihany ny famindram-pahefana eo amin’ity minisitra ity sy ny solony, Haingonirina
 
Fampandrosoana ifotony : Nifarana omaly teny amin’ny foiben-toeram-pivoriana iraisam-pirenena eny Ivato ilay atrikasa nokarakarain’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany mikasika ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana nandraisan’ireo lehiben’ny faritra sy ben’ny tanàna sasantsasany anjara. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fametrahana ireo rindran’asa maro iraisan-karazany izay miompana indrindra amin’ny sehatry ny fampandrosoana ifotony.
 
Fahasahiana : Tontosa tamim-pirahalahiana omaly tetsy amin’ny foiben-toeran’ny Minisiteran’ny fahasalamana etsy Ambohidahy ny famindram-pahefana teo amin’ny praiministra lefitra misahana ny fahasalamam-bahoaka teo aloha dia ny profesora Tehindrazanarivelo Djacob Alain sy ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka vaovao vao avy notinendry ny jeneraly Rajaonarison Pascal. Nidera sy niaiky ny fahasahiana sy ny fahavononana nasehon’ity Minisitra vaovao ity ny praiminisitra lefitra.
 
Fianakaviana mpandroba : Nody ventiny ny rano nantsakain’ireo mpitandro ny filaminana tao amin’ny kaominina Andoka, distrikan’Ampanihy Andrefana. Sarona ny fiandohan’ny herinandro teo ilay fianakaviana iray mivelona amin’ny asa fandrobana sy vono olona any an-toerana rehefa ela nitoratorahana. Miisa eni-mianaka izy ireo, notarihin’ilay raim-pianakaviana sy ny namany iray hafa. Nandritra ny asa fandrobana nitranga tao an-tanàna no nahatrarana ireto farany ka maty voatifitra vokatr’izany ny zanak’io lehilahy io iray sy ilay naman’izy ireo efa za-draharaha. Tsiahivina fa tokantrano am-polony no efa nampitondrain’izy ireo faisana ankoatra ireo namoy ny ainy.
 
FIZAMA : Ahitana taratra ny firaisam-pirenena tokoa, hoy ny filoha nasionalin’ny FIZAMA Henri Charles ny governemantan’ny Fat izay vao natsangana efatra andro lasa izay. Tena governemanta teknisianina iraisan’ny miaramila sy ny sivily tokoa, hoy ihany ny tenany koa inoana fa hitondra fahombiazana. Andraikitra miandry ity governemanta vaovao ity ny fanomanana sahady ny atrikasam-pirenena, ny fitsapan-kevi-bahoaka ary ny fifidianana hidirana any amin’ny Repoblika faha-4.
 
Nanao veloma : Nanao veloma sy nirary soa hahavita be ho an’ny minisitry ny tontolo iainana vaovao, ny jeneraly Raveloarison Herilanto sy ireo mpiara-miasa aminy ny minisitry ny tontolo iainana teo aloha, Jeneraly Randrimiandrisoa Calixte omaly raha nandray fitenenana, nandritra ny famindram-pahefana teo amin’ny roa tonta. Tao Antsahavola no nanaovana ny famindram-pahefana raha teny Ambatobe kosa no nanohizana ny lanonana.
 
Fizahantany : Hapetraka amin’ny toerany tokony hisy ny kaominina ambonivohitr’Antsirabe eo amin’ny sehatry ny fizahantany. Hisy ny fitsangantsanganana hisintonana mpizahatany hotontosaina any an-toerana ato ho ato iarahana amina Ong vahiny iray. Hiainga ao Antsirabe hipaka hatrany Ampefy ny fitsangantsanganana ka hisy mandritra izany ny fampahafantarana ireo teratany britanika 10 mianadahy handray anjara ireo mampalaza ny renivohitr’i Vakinankaratra sy Itasy.
 
Famindram-pahefana : Tontosa omaly tao Anosy ny famindram-pahefana teo amin’i Manorohanta Cécile, praiminisitra lefitra misahana ny atitany teo aloha sy i Jean, minisitry ny atitany vaovao, izay vao avy notendrena ny alatsinainy 24 mey teo. Tamim-pahatoniana sy tamim-pirahalahiana tanteraka no nanatontosana ny lanonana.
 
Nangonin’i Pati - Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT