Mitohy : Nitohy tao amin’ny Magro Behoririka omaly ny hetsiky ny ankolafy telo. Mégaphone roa no nampiasain’ny mpanentana rehefa nofaohin’ny miaramilan’ny Emmo-Reg ny fitaovana fanamafisam-peo ny tolakandron’ny sabotsy 22 mey lasa teo. Fanentanana ny hitohizana ny tolona, ny fitakiana ny hamoahana ireo gadra politika sy ireo mpiasan’ny radio Fahazavana ary ny hampitsaharana ny fanenjehana tsy amin’antony no antson’ireo nifandimby nandray fitenenana.
Fahendrena : Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny ny filoha nasionalin’ny fikambanana SOFEMA, Velo Mitsanga. Nambarany fa fahendrena lehibe no nasehon’i Andry Rajoelina raha nanambara ity farany fa tsy hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena.
Olana goavana : Nitsidika sy nampahery ary nitondra ranom-boankazo ho an’ireo zandary sy miaramila telo lahy naratra vokatry ny fifandonana teny Fort Duchesne ny avy ao amin’ny EMMO/FAR notarihin’ny Kolonely Richard Ravalomanana. Tamin’izany no nahafantarana fa misy olana goavana mikasika ny fikarakarana ireo maratra. Tsy amin’ny lafiny fitsaboana ihany fa ny amin’ny hoenti-manana koa. Koa nitaraina tamin’ireo tompon’andraikitry ny EMMO/FAR izy ireo hamaha ny olana.
Nihitsoka : Tratry ny olana teknika, indray ny fanambaran’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny HAT tamin’ny famoahana ny governemanta vaovao ny alatsinainy alina teo, nandritra ny vaovao an-tsarin’ny TVM. Niteny ny mpanolotra ny vaovao ary tonga dia nalefa avy hatrany ny fanambaran’i Haja Resampa, nihitsoka anefa ny sary sy ny feo raha vao nanomboka ny fanononana ny anaran’ireo minisitra. Tsikaritra ho nisy fandaharana hafa, nandeha teo ambonin’izany, dia tapaka tanteraka rehefa avy eo. Hira no nalefa, minitra vitsivitsy taorian’izay vao nipoitra indray ny mpanolotra ny vaovao an-tsary, ka niala tsiny fa hoe nihitsoka ny milina.
Fiaramanidina : Nahoraka hatry ny omaly, ary miparitaka amin’ny Internet fa misy fiaramanidina mitondra ny mariky ny US Air Force, na ny tafika ana habakabaka amerikanina eto Madagasikara efa nanomboka ny alatsinainy 24 mey lasa teo. Karazana fiaramanidina kely na itony antsoina hoe « jet privé » itony izy ity. Araka ny tsiliantsofina re dia voarakitra tao anatin’ny plan de vol an’ity fiaramanidin’ny US Air Force ity, omaly talata ny faritra maromaro teto amin’ny nosy, dia Antananarivo, Sambava, Antsiranana ary Nosy Be. Handao an’i Madagasikara anio alarobia ity fiaramanidina ity. Tsy mbola fantatra mazava kosa anefa ny tena anton-diany.
Zato taona : Mankalaza ny faha-100 taona niorenany ny Epp etsy Soarano. Omaly no nofaranana tamim-pomba ofisialy ny fankalazana rehefa naharitra 12 volana. Tsangam-baton’izao fankalazana ny faha-100 taonan’ny sekoly izao ny asa fanamboarana efitranon-tsekoly roa fanampiny miaraka amin’ny biraon’ny talen-tsekoly.
Politika vaovao : Hitondra ny fanaovana politika vaovao eto Madagasikara ny vondrona pôlitika FIASA na ny Finoana Arahin’Asa tarihin-dRazafimahatratra Valisoa. Tafatsangana ny sabotsy lasa teo tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra ny fikambanana ary nampahafantatra ny fisiany tamin’ny vahoaka. Hitondra ny fanaovana politika vaovao eto Madagasikara no antom-pijoroany hiarovana ny soatoavina Malagasy sy ny harem-pirenena.
Tsy tana ny ainy : Tovolahy iray sahabo ho 25 taona no nofaohina kamio iray lehibe tao Marozevo ny alin’ny alatsinain’ny pentekosta lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly ilay voadona saingy tsy tana ny ainy.
Tsenabe : Tratra ny tanjona tamin’ilay tsenabe Dingan-dava taona 2010 notontosaina tao Tsiroanomandidy renivohitr’i Bongolava. Ny sabotsy lasa teo no nifarana tamim-pomba ofisialy izany, rehefa naharitra hateloana. Kaominina miisa 26 mandrafitra ny distrikan’i Tsiroanomandidy no nandray anjara tamin’izany izay samy nampiranty sy nampahafantatra ireo vokatra mampahalaza azy.
Mahanoro : Tovolahy sy tovovavy nanao taingin-droa tamin’ny moto no voadonan’ny fiara mini-bus iray tao Mahanoro ny alatsinain’ny pentekosta lasa teo. Vokany, maty teo no ho eo ilay tovolahy nitondra moto raha naratra mafy ka namoy ny ainy teny an-dalana ihany koa ilay tovovavy. Natsipin’ireo olona tao anatin’ilay mini-bus izay nandona azy ireo tany anaty ala ny faty sy ny moto toarian’ny loza. Ireo mpandalo no nahatsikaritra izany ka nampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana.
Atsimondrano : Tafatsangana ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny fikambanana mpampiasa rano ivondronan’ireo kaominina telo dia ny kaominina Bemasoandro, Fihombonana ary Ambohidrapeto. Asa goavana miandry azy ireo ny hanamboatra sy hanarina ireo fotodrafitrasa lehibe toy ny tohodrano hahafahana mampitombo ny voka-bary. Amin’ny alahady ho avy io no hampahafantatra ny fisiany amin’ny vahoaka ny fikambanana.
Fotodrafitrasa : Nahazo tsena vaovao ny mponina ao Ifanereha, faritra Vatovavy Fitovinany. Ny sabotsy lasa teo no notokanana ny fotodrafitrasa, nandaniana vola 350 tapitrisa Ia. Ny vondrona Eoropeanina tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa Accord no namatsy vola ny asa.
Tsenabe : Tratra ny tanjona tamin’ilay tsenabe Dingan-dava taona 2010 notontosaina tao an-drenivohitr’i Bongolava. Ny sabotsy 22 mey teo no nifarana tamim-pomba ofisialy izany, rehefa naharitra hateloana. Kaominina 26 isa mandrafitra ny distrikan’i Tsiroanomandidy no nandray anjara tamin’izany izay samy nampiranty sy nampahafantatra ireo vokatra mampahalaza azy.
Miara-miketrika : Nanameloka ny fironana Ratsiraka sy Zafy Albert ary Ravalomanana ny AKFM raha naneho ny heviny mikasika ny zava-nitranga teny Fort Duchesne ny alakamisy 22 mey teo izy ireo. Notondroin’ity antoko ity fa miara-miketrika fanonganam-panjakana hanalana ny filohan’ny Fat eo amin’ny toerany izy ireo.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.