Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 25 Mey 2010


Nodimandry : Nodimandry tany Frantsa ny alin’ny alahady 23 mey hifoha ny alatsinainy 24 mey i Malala Zo Raoilison, ambasadaoron’i Madagasikara tany frantsa teo anelanelan’ny taona 1998 ka hatramin’ny taona 2002. Efa tale jeneralin’ny orinasa Ofmata ny tenany. Isan’ireo kamarady niara-dia hatrany, tsy nandao ny Amiraly Didier Ratsiraka na tamin’ny fotoan-tsarotra aza. Nandrafitra ny delegasiona Ratsiraka tamin’ny fifampidinihana handaminana ny krizy eto Madagasikara ny tenany ary izay ihany koa no nahitana azy faramparany. 

Lesona : Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko DHD Madagascar, Raharinaivo Rasamoelina, fa lesona lehibe ho an’ny tsirairay ny zava-nitranga tamin’ny alakamisy 20 mey teo. Tokony samy handini-tena ny tsirairay, hoy izy mba hitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka. Mikasika ny fanapahan-kevitra noraisin’i Andry Rajoelina ny amin’ny tsy hilatsahany hofidiana ho filoham-pirenena kosa dia nanambara ity antoko ity fa fahendrena lehibe izany manoloana ny fitiavan-tanindrazana.
 
Tsy mankasitraka : Ho an’ny fikambanana Otrikafo, tarihin-dRajaonah Andrianjaka dia tsy mankasitraka ny tsy hilatsahan’ny filohan’ny FAT ho kandida amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena izy ireo. Amin-dry zareo mantsy dia mety ho vokatry ny faneren’ireo hery samihafa manodidina i Andry Rajoelina no nahatonga azy handray izany fanapahan-kevitra izany fa tsy tena vokatry ny fony.
 
Vondrona Afrikanina : Manamarika ny andron’ny Vondron’ny tany Afrikanina (OUA) na ny Vondrona Afrikanina (UA) ankehitriny ny 25 mey. Andro tsy iasana ny 25 mey tamin’ny Repoblika faharoa.
 
Zaza very : Marihina anio 25 mey ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zaza very. Mitombo andro aman’alina izy ireo, indrindra amin’ny tany miady sy mandalo krizy toy ny eto Madagasikara.
 
Tratra ny tanjona : Nifarana tamim-pomba ofisialy ny alahady teo rehefa naharitra hateloana ny Festival des îles 100% Tropical notontosaina tany Nosy-be. Tratra ny tanjona tamin’ny ankapobeny na dia nisy ihany aza ny indro kely. Nahavory olona marobe tokoa ny hetsika, nohafanain’ireo mpanakanto manana ny maha izy azy avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Hetsika fifaninanana ara-panatanjahantena maro isan-karazany no namaranana ny lanonana afak’omaly alahady.
 
Niavaka :  Fotoam-pivavahana niavaka no nentin’ny fiangonana Pentekotista mitambatra nanamarihana ny alahadin’ny pentekosta tany amin’ny distrikan’Andramasina. Olona notezain’aretina sy narary marobe no sitrana rehefa avy nandray ny hosotry ny fanahy masina sy nametrahan-tanana araka ny vaovao voaray.
 
Lalana : Lalana mirefy 5 km no nasiam-panamboarana tany ambanivohitra Arivonimamo ny faran’ny herinandro teo. Vatan-dehilahy 18 taona no ho mihoatra manodidina ny 100 no nandray anjara tamin’izany, notarihin’ny solombavambahoaka Tiako i Madagasikara, Rakotomanjato Rodin. Tamin’ny alalan’ny herin-tsandry no nanatontosana ny asa.
 
Sambany : Nafana ny rindran-kira niarahana tamin’ny tarika Lôla, Mima ary Princio teny amin’ny by-pass omaly tontolo andro. Anisan’ny nifidy ity toerana ity ary naneho ny fiarahany nifaly tamin’ny olona tonga teny an-toerana ny zanaky ny faritra Analalava monina sy mipetraka eto an-drenivohitra. Sambany no nanao hetsika tahaka izao ny zanaky ny faritra Ananalava hatramin’ny fotoana niorenany. Nafana ny lanonana tamin’ny ankapobeny ary samy afa-po ny rehetra.
 
Tsy lefy laza : Toeram-pitsangantsanganana tsy mety lefy laza ny ao Andrazara rehefa andro fety raha eny amin’ny faritr’Itaosy no resahina. Nahatratra an-jatony ireo fianakaviana tonga niala voly teny an-toerana omaly alatsinain’ny pentekosta tontolo andro. Noravahin’ireo mpivarotra hani-masaka marobe izany ka ny masoandro nody no nampalahelo.
 
Semban-drahona : Tsy toy ny mahazatra fa somary nangingina ny fankalazana ny fetin’ny pentekosta omaly tontolo andro tany amin’ny distrikan’Ambato-Boeny. Faty efatra no indray hita tany an-toerana ny alahady lasa teo. Iray tamin’ireo ilay vehivavy maty an-drano tamin’ny herinandro ambony ary tsy hita raha tsy efatra andro taty aoriana.
 
Fanampiana : Traboina vokatry ny hain-trano miisa 80 no notoloran’ny Minisitry ny mponina, Nadine Ramaroson fanampiana ny faran’ny herinandro teo tany Masindray, distrikan’i Mananjary. Fianakaviana 380 isa ihany koa no notolorana fanomezana ka anisan’ireny ireo Raiamandreny lehibe tsy afa-mamelona ny tenany intsony.
 
Sakafo : In-telo isan-kerinandro sisa amin’izao fotoana no mihinana sakafo maivana any am-pianarana ireo mpianatry ny Epp ao Faratsiho tampon-tanàna. Miteraka tsy fahombiazana eo amin’ny lafiny fampianarana izany, araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly, koa hiantsoany ireo malala-tanana. Marihina fa ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra no miantoka io sakafo maivana io.
 
Fizahantany mamoafady : Naneho ny heviny mikasika ny fielezan’ny fizahantany mamoafady eto amintsika ny Minisitry ny fizahantany Andréas Irène. Nambaran-dRamatoa minisitra fa tsy tokony hatakalo vola ny Malagasy, indrindra ireo zazavavy kely izay hoavin’ny firenena. Ndao hifandray tanana isika, hoy izy hanohitra ny fizahantany mamoafady ka hampiseho ny tena maha izy azy ny Malagasy.
 
Zavaboary : Nomarihina teto amintsika ny faran’ny herinandro teo ny andro eran-tany ho an’ny zavaboary. Tany Ankazobe no nanokafana tamim-pomba ofisialy ny lanonana izay hofaranana etsy amin’ny valan-javaboary etsy Tsimbazaza ny alakamisy ho avy izao.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT