Ampy izay : Nanao fanambarana ny Praiminisitra sady minisitry ny fiarovam-pirenena, Camille Vital, omaly hariva taorian’ny fifandonana teny Fort Duchesne ka nahafatesana miaramila sy sivily. Nambarany fa nisy andia-miaramila nihoa-pefy, ka tsy manintsy nandray andraikitra ny mpitondra mahefa. «Nisy ny aina nafoy, nisy ny naratra ary tsy maintsy hisy ny fanadihadiana ary tsy maintsy hisy koa ny fisamborana sy fanasaziana» ; ary «tsy hanaiky sy tsy handefitra intsony amin’ireo izay mihoa-pefy ny fitondrana fa ampy izay», hoy i Camille Vital.
Nody : Tsy nijanona naharitra tao amin’ny toeram-piasany teny amin’ny lapan’Ambohitsorohitra, omaly ny filohan’ny HAT Andry Nirina Rajoelina, fa tonga dia nody avy hatrany, vantany vao raikitra ny fifanjevoana teny amin’ny manodidina ny toby misy ny FIGN. Karazana fepetra tsy maintsy raisina moa izany rehefa tena manomboka mafampana ny toe-draharaha, ary rehefa tandindomin-doza ny fitantanana ny firenena.
Tsy nahazo nivoaka : Tsy nahazo nivoaka ny faritry ny sekoly ireo mpianatry ny sekoly ambony Escame etsy Ambaranjana omaly. Noho ny fisian’ilay trangan-javatra teny amin’ny Fign Fort Duchesne no anton’izany izay tsy maintsy nandraisan’ny sekoly fepetra hentitra. Efa nilamindamin-dratsy vao nalefa nody tsikelikely ny mpianatra.
Famatsian-drano : Nanolotra paompin-drano iray ho an’ny fokontany Analamahitsy cité ny fikambanam-behivavy mivondrona ao anatin’ny Wednesday Morning Group. Paompin-drano faha-29 nomen’ity fikambanana ity ho an’ireo boriborintany misy eto an-drenivohitra io paompin-drano io, niarahany niasa tamin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Olona 100 eo ho eo no hahazo tombontsoa amin’izany.
Manohana : Manohana feno ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ireo fikambanana miisa 40 mivondrona ao amin’ny HPM na ny Hery Politika Mitambatra. Ho fanehoan’izy ireo ny tsy fankasitrahany ny zava-nitranga tao amin’ny radio Fréquence Plus ny faran’ny herinandro teo no anton’izany ankoatra ny fiarahana mitady vahaolana amin’ny famaranana tanteraka ny krizy.
Fanabeazana : Nivoaka indray ilay boky kajy ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana bakalôrea sokajy C sy D. Tamin’ny taona 1985 no nisy farany ity boky ity ary izao navoakan-dRatsimbazafy Bruno mpamokatra azy izao indray. Nambaran’ity farany fa na dia tsy mitsaha-mivoatra aza ny teknolojia eto amintsika dia mbola manana ny lanjany hatrany ny boky eo amin’ny sehatry ny fanabeazana.
“Bois de rose” : Kaontenera miisa valo no nosavain’ny “Task Force” tao amin’ny seranan-tsambon’i Vohémar afak’omaly. Nandeha mantsy ny feo fa feno hazo sarobidy toy ny “bois de rose” kasaina haondrana any ivelany ireo kaontenera ireo.
Fotodrafitrasa : Noraisina ara-teknika omaly ilay tetezan-dehibe iray namboarin’ny orinasa Tolal tany amin’ny distrikan’Ambatomainty. Mitentim-bidy 5 tapitrisa dolara ny fotodrafitrasa. Distrika telo araka ny vaovao voaray no hahazo tombontsoa amin’izany dia ny distrikan’i Morafenobe, Ambatomainty ary Maintirano.
Lalana : Nisokatra ny lalana mampitohy ny distrikan’i Tsiroanomandidy amin’Ambatomainty (RN 1 bis), mirefy 407 km. Lasa adiny 10 sisa, araka izany, no hanaovan’ny fiara io halaviran-dalana io raha hateloana teo aloha. Ny orinasa SOGEA no nandray an-tanana ny asa.
Politika : Mila fanovana ny fanaovana politika eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny DHD Madagasikara, Raharinaivo Rasamoelina, sady filoha lefitry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Araka ny fahitan’izy ireo azy mantsy dia tsy fitiavan-tanindrazana no manosika ny maro an’isa hanohitra izao fitondrana izao fa noho ny faneren’ny hery iraisam-pirenena.
Tsy nahazatra : Tsy nahitana zandary mandrindra fifamoivoizana tany amin’iny lalam-pirenena faha-3 iny omaly tontolo andro raha saika ahitana azy ireny isaky ny kihon-dalana misy. Vinavinain’ny maro ho voaantso niverina any amin’ny toby misy azy izy ireny noho ny toe-draharaha nisy teto amintsika omaly. Nampametra-panontaniana ihany mantsy ny tsy fahitana azy ireny nanao ny asany toy ny mahazatra.
Foibem-panadinana : Hahazo foibem-panadinana Cepe iray vaovao ny any amin’ny distrikan’i Sainte-Marie. Vokatry ny fangatahan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra no nahazoana izany izay marihina fa foibem-panadinana fahateo hanampy ireo roa efa misy. Marihina fa nitombo ny isan’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana Cepe any amin’ity distrika ity.
Fanampiana : Nandalo sy nitsidika an’i Manakara ny ambasadaoro Libianina monina sy miasa eto amintsika omaly, nanolotra izay voatsirambin’ny tanany hanampiana ireo mponina traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza farany teo.
Tsena goavambe : Madiva ho vita ankehitriny ilay tsena goavambe sy manara-penitra haorina eny amin’ny Tanikatsaka Itaosy, kaominina Bemasoandro. Mpiasa am-polony no horaisina hiasa ao amin’ity tsena lehibe ity araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna ka lohalaharana amin’izany ireo very asa.
Tsy ampy : Dokotera iray sy mpampivelona iray ho an’ny olona miisa 13.301 any amin’ny kaominina Mangamila, distrikan’Anjozorobe. Misedra olana ny mponina vokatr’izany, indrindra ireo monina any amin’ny toerana saro-dalana. Ireo saro-piterahana sy ireo marary mafy no tena mitondra faisana araka ny fanadihadiana natao. Marihina fa ao amin’ny CSB II ao Mangamila ihany no ahitana ireo dokotera sy mpampivelona ireo.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.