Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 20 Mey 2010


Menaka Tiko : Misy mamoaka ireo menaky ny orinasa Tiko tsy mbola voahodina ao Toamasina. Efa miely manerana ireo toeram-pivarotana maro izany, araka ny vaovao voaray. Manoloana izany dia manao antso avo amin’ny rehetra ny orinasa Tiko fa tsy tompon’antoka amin’ny loza ateraky ny fihinanana ireny menaka tsy mbola voadio ireny na rahoviana na rahoviana. 

Midinika : Mivory eny amin’ny Le Damier Androndra nanomboka omaly ireo Administratera sy lehiben’ny distrika 119 manerana ny Nosy. Hanomana ny fivoriambe hatao ato ho ato izy ireo, nefa midinika ny fanomanana ny fifidianana, mba ho fifidianana madio sy mangarahara ary tsy mitanila. Vao avy nitokona ny Administratera mitaky ny hanomezana azy ireo ny fitantanana ny Minisiteran’ny Atitany.
 
Raharaha 7 Febroary : Mitaky marina ny hanaovana fanadihadiana mikasika ny raharaha 7 febroary ny fikambanana miaro ny zon’olombelona Sakaizan’ny lalana sy ny fahalalana. Ny mba hitovian’ny zon’olombelona ka tsy hisy fanavakavahana hoe ny madinika ihany no hosaziana na henjihina no tanjona. Naneho ny alaheloby mikasika ny tsy fanomezan-danja ny fitsingerenan’ny vaninandron’ny 13 mey ihany koa ity fikambanana ity.
 
Tsy handefitra : Naneho hevitra mikasika ny raharaha Fréquence Plus i Alain Ramaroson, filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana sy filaminana eo anivon’ny HAT, ka nilazany fa aleo handeha ny fanadihadiana dia ho hita eo. Henitra anefa izy nilaza fa tsy handefitra amin’izay manohintohina ny fiainam-bahoaka.
 
Fitsarana fiarakodia : Hiasa tsy an-kiato ny foibe fitsarana fiarakodia eny Alarobia sy Betongolo ary eny Nanisana ny zoma 21 mey 2010 manomboka amin’ny 08 ora maraina hatramin’ny 04 ora hariva ho fanalana fahasahiranana ny tompon’ny fiara sy ireo mpamily fiara araka ny fampahafantarana nataon’ny «Direction Générale de la Sécurité Routière».
 
Fikaonan-doham-pirenena : Tsy handray anjara amin’ny fikaonan-doham-pirenena hotontosaina ny 27 ka hatramin’ny 29 mey ho avy io ny komity mpanara-maso sy mpanomana ny fikaonan-doham-pirenena tamin’ny taona 2009 na ny CSRN. Na izany aza miantso ny rehetra handray anjara amin’izany izy tsy miankina amin’ny firehana misy fa amin’ny maha olom-pirenena.
 
Kaominina Ivato Firaisana : Mitohy araka ny tokony ho izy ny asa eo anivon’ny kaominina Ivato Firaisana taorian’ny nitsaharan’ny Ben’ny tanàna tamin’ny asany taorian’ny raharaham-pitsarana nahavoarohirohy aza. Ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna no miantsoroka ny asa ankehitriny rehefa avy nankatoavin’ireo ambaratongam-pahefana maro.
 
Fandriampahalemana : Tafapetraka ny faran’ny herinandro teo ny rafitra vaovao sy ny biraon’ny Komity hiaro ny Dina any amin’ny distrikan’Ikalamavony. Ny mba hanatsarana ny fandriampahalemana no tanjona hiadiana amin’ny asan-dahalo. Noraisin-tanana tamin’io andro io ireo mpikambana eo anivon’ny biraon’ny dina vaovao.
 
Fanatanjahantena : Tontosa afak’omaly tao Toamasina ny fifidianana izay ho filohan’ny ligin’ny faritra Atsinanana, taranja tolona. Nibata ny fandresena tamin’ny salan’isa 100% Rakotomalala Bertrand. Tonga nanotrona ny fotoana ny solontenan’ny ligy avy aty an-drenivohitra.
 
Mpampianatra :  Mitokona mandritra ny 48 ora ireo mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana ao Toliara renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana. Nanomboka omaly alarobia izany izay hifarana anio. Anton’ny fitokonana ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny fampiakarana ny tambin-karamany hatrany amin’ny 10 %. Eo anivon’ny lycée no hiainga ny fitokonana ary mety hitatra hatrany amin’ireo ambaratongam-pampianarana maro.
 
Fiompiana : Notontosaina teny amin’ny akademia malagasy teny Tsimbazaza omaly ilay adihevitra narahina famelabelarana momba ireo  paikady hiarovana ny omby eto Madagasikara. Am-polony ireo mpizaika tonga nandray anjara tamin’izany izay samy naneho ny heviny mikasika ny ady atao amin’ny asan-dahalo.
 
Hetra : 17 % sisa ny tahan’ny fandoavan-ketra eo anivon’ny kaominina Ambohimanga Rova raha nanodidina ny 80 % izany tamin’ny taona 2009. Vokany, tsy afa-mihetsika amin’ny asa fampandrosoana ny kaominina na dia te hanamaivana ny fahasahiranan’ny mponina aza.
 
Maintirano : Tsy misy mpividy fa lanin’ny koroka eo am-pitoerana ny vokatra katsaka any amin’ny distrikan’i Maintirano. Izany dia vokatry ny haratsian-dalana ka tsy hahafahan’ireo mpanangom-bokatra midina any an-toerana. Tafidina hatrany amin’ny 600 Ar vokatr’izany ny iray daba amin’ny katsaka. Tsy mety tonga kosa ny herinaratra ao amin’ny fokontanin’i Mangotroka na dia efa vonona avokoa aza ny fotodrafitrasa toy ny andrin-jiro sy ny tariby.
 
Maimaimpoana : Maimaimpoana ny fitiliana ny aretin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ao amin’ny Centre diosezien de santé ao Fianarantsoa. Ireo vehivavy 30 taona miakatra no hahazo tombontsoa amin’izany ao anatin’ilay tetikasa PAP.  Marihina fa 40.000 Ar no sandan’ny fanaovana izao fitiliana izao eny anivon’ireo tobim-pitsaboana hafa.
 
Manameloka : Naneho ny heviny mikasika ny zava-nitranga teny amin’ny radio frequence plus ny faran’ny herinandro teo ny herim-politika mitambatra na ny HPM. Nambaran’izy ireo fa manameloka tanteraka ny fandravana fananan’olona sy fisamborana mpanao politika ary famonoana mpanao gazety tahaka ireny ny fikambanana. Miantso ireo lehiben’ny vondrona politika saro-piaro amin’ny tanindrazany izy ireo, araka izany, hiray hina sy hifanohana fa masina ny tanindrazana.
 
Tsy fandriampahalemana : Hohamafisina ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’Arivonimamo. Nisy ny fanolorana fitaovana toy ny moto sy solosaina feno ho an’ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana omaly maraina. Tonga nanolotra izany ny lehiben’ny Faritra Itasy.
 
Sarona : Saron’ny mpitandro ny filaminana afak’omaly tao Ranomafana Brickaville ilay jiolahy rain-dahiny atidoha nikotrika ilay famonoana dokotera mivady tao amin’ny kaominina ambanivohitra Sahamatevina, volana maromaro lasa izay. Efa voarohirohy tamin’ny raharaha vaky fasana nitranga tao Ilaka Atsinanana ihany koa ity jiolahy ity, fotoana vitsy lasa izay. Teny am-pitsoahana hanavo-tena ranamana no sarona ary efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT