Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 19 Mey 2010


Andrana teknika : Mbola ao anatin’ny andrana teknika ny Fréquence Plus taorian’ny famotehana ny fitaovana sy ny fikasihan-tanan sy fandratrana mpanao gazety sy mpiasa nataon’ny FIS ny sabotsy 15 mey lasa teo. Nanameloka ny trangan-javatra teny avokoa na mpanao politika, na fikambanana tsy ny eto an-toerana ihany fa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa. 

Asa fanaovan-gazety : Tsy nitazam-potsiny fa naneho ny heviny mikasika ny zava-nitranga tao amin’ny radio Fréquence Plus ny faran’ny herinandro teo ireo talen’ny famoahana eto an-drenivohitra. Fepetra enina no takian’izy ireo ka anisan’ny nisongadina indrindra tamin’izany ny tokony hamaizana tsy misy hatak’andro ireo nanao ny herisetra sy ireo nampirisika azy.
 
Mbola vonona : Tsy miankina amiko, hoy ny Ministry ny fifandraisana Nathalie Rabe ny mbola haha minisitra ahy na tsia. Io no navalin-dRamatoa minisitra raha nanontaniana mikasika ny endriky ny governemanta vaovao vao hitsangana izy. Nambarany anefa fa mbola vonona hanohy ny asany izy raha toa ka mbola voatazona ihany.
 
Fivoahana amin’ny krizy : Ny fifidianana ihany no hany lalan-tokana hivoahana amin’ny krizy. Io indray kosa no nambaran’ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary teknôlôjia maoderina, Augustin Andriamananoro, raha naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny izy.
 
Any amin’ny herisetra : Tafatsangana any Moramanga ny «Centre d’Ecoute et Conseil » hanampy sy hanoro hevitra ireo vehivavy na ankizivavy hianjadian’ny herisetra. Ao amin’ny foiben-toeran’ny fikambanana Croix Rouge no misy ity ivon-toerana ity izay miara-miasa akaiky amin’ny Minisiteran’ny mponina sy ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana. Tsy ho an’ny ankizivavy sy ny vehivavy ihany ny CEC araka ny fanazavana azo fa natao ho an’ny ankizilahy sy ny lehilahy izay mahatsiaro ho voatohintohina ihany koa.
 
Jono : Misedra olana ireo mpanjono madinika any amin’ny distrikan’i Maintirano. Mitombo izaitsizy mantsy tato ho ato ireo sambo lehibe manakana azy ireo, izay voalaza fa tsy ara-dalàna avokoa ny ankamaroany. Nidina hatrany amin’ny iray taonina isaky ny lakana ny vokatra azo vokatr’izany raha dimy taonina teo aloha. Tsiahivina fa mbola mahazo vahana any an-toerana ihany ireo “plongeur” mampiasa “bouteille à gaz” na dia efa voarara aza.
 
Valan’aretina : Manitsaka ny andro fahatelo amin’ilay atrikasa hatrehiny ao amin’ny institut Pasteur etsy Avaradoha anio alarobia ireo solontenan’ny mpitsabo miisa 12 manerana ny Nosy. Anton’ny atrikasa ny hanofanana azy ireo mikasika ny fanaraha-maso ny valan’aretina, ny fomba fisehony ary ny fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny vatana. Hifarana amin’ny zoma ho avy io ny atrikasa.
 
Tanora : Mpanabe tanora sy mpampianatra taranja ara-panatanjahantena miisa 30 no miatrika fiofanana momba ny fanabeazana ara-batana sy ny fahasalaman’ny tanora latsaky ny 18 taona ao an-drenivohitr’i Boeny. Nanomboka ny alatsinainy izany haharitra hadimiana. Ny tanjona moa dia ny hisorohana ireo aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo toy ny farasisa sy ny voka aloha loatra.
 
Sekoly tsy miankina : Manamarika ny iray volany ny DNELM. Faritra maro no efa nanatontosa hetsika nentina nanamarihana izany toa an’i Fianarantsoa sy Toliara. Ho an’Antananarivo manokana dia ny 26 ka hatramin’ny 28 mey ho avy io no hanamarihana izany. Dinika mikasika ny andraikitra sahanin’ny DNELM eo amin’ny sehatry ny fanabaeazana sy ny fanomanana ny fanadinana telo volana fahatelo no anisan’ny hisongadina mandritra izany, izay hofaranana amin’ny filaharambe hamakivaky ny tanàna.
 
Fotodrafitrasa : Nahazo efitranon-tsekoly fanampiny telo ny lycée advantista any amin’ny distrikan’Andapa. Ny alatsinainy 17 mey no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa. Marihina fa tsara hatrany ny voka-panadinana tao amin’ity lycée ity hatramin’izay.
 
Fetim-pirenena : Hiavaka ny fankalazana ny Fetim-pirenena 26 jona ao an-drenivohitry ny Faritra Atsinanana. Efa tafatsangana avokoa ankehitriny ireo komity mpanohana hiara-hisalahy sy handamina ny hetsika. Mikasika ny fitandroana ny fandriampahalemana manokana dia efa mipetrapetraka avokoa ny lamina rehetra hahafahan’ny vahoaka mifety araka ny tokony ho izy.
 
Teny anglisy : Tanora 15 ka hatramin’ny 18 taona an-jatony no mandray anjara amin’ilay fampianarana ny teny anglisy karakarain’ny foibe ara-kolontsaina amerikana ao Antsirabe. Hofaranana amin’ity faran’ny herinandro ity ny hetsika hijerena manokana ireo tanora mendrika indrindra sy nahafe araka ny tokony hoy izy ny teny anglisy. Ny kaominina an-drenivohitra Antsirabe no hanolotra ny loka izay hifanindry an-dalana amin’ny fankalazana ny fetin’ny pentekosta.
 
Zaza kamboty : Nitsidika ireo zaza kambotin’ny polisim-pirenena beazina ao Ambatolampy ny biraon’ny fikambanam-behivavy polisy sy ny vadin’ny pôlisy ny faran’ny herinandro teo. Nisy ny fanolorana fanomezana ho an’ireo ankizy ireo nandritra izany toy ny vatomamy sy ny kilalao. Noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Reny no nanosika ireo renim-pianakaviana mivondrona ao anatin’ny fikambanana hihaona mivantana tamin’ireto ankizy ireto. Miisa 53 izy ireo.
 
Olana : Tafakatra hatrany amin’ny 95 % ankehitriny ny tahan’ireo ankizy tsy afaka mandoa saram-pianarana ara-dalàna any amin’ireo sekoly ambaratonga ambony tsy miankina vitsivitsy eto an-drenivohitra. Noho ny krizy politika avokoa no mahatonga izany ka mampihitsoka ny fidiram-bolan’ny tokantrano maro. Vokany, misedra olana ny sekoly amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpampianatra.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT