Lanonana : Haverina amin’ny lazany ny oniversiteni Maninday Toliara. Tapitra amin’ny 31 oktobra ny taom-pianarana 2010. Tsy hiandry fitokonana vao handray andraikitra ny fitondrana vao hanao zavatra. Nivoitra ireo nandritra ny lanonana fametrahana tamin’ny fomba ôfisialy ny filoha vaovaoan’ny oniversite Dina Alphonse sady nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2010 ho an’ny fampianara ambony.
Finoana : Tafapetraka amin’ny toerany ny alahady 16 mey teo ny Eveka faha-4 hiahy ny diosezin’i Morondava. Nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny toekarena eo anivon’ny fitondrana FAT izay nanantitrantitra fa tsy afa-miala amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fiangonana ny firenena. Fotoam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nisantarana ny fotoana.
Hodian-tsy hita : Naneho ny heviny mikasika ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny ny filohan’ny vovonam-pirenena ho an’ny tanora. Nambarany fa tsy tokony hiresaka krizy na Maputo na Pretoria 2 intsony ny rehetra fa tokony hibanjina kosa amin’izay ny fikaondoham-pirenena hatao atsy ho atsy. Laharam-pahamehana ao anatin’izany, hoy izy ny hoe : omena fahefana bebe kokoa toy ny teo aloha ve ny filoha sa ny parlemantera ?
Arema : Hamotika tanteraka ny fiainam-pirenena ny fizirizirian’ny fironana tokana hizotra mankany amin’ny fifidianana. Io no nambaran’ny ankolafy Arema tamin’ny mpampahalala vaovao raha naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany, hoy izy ireo ny mety ho fiovan-kevitry ny fiakaviambe iraisam-pirenena izay efa nanantitrantitra fa ny hery rehetra no tokony hanomana ny fifidianana mba tsy hiverenan’ny krizy any aoriana intsony.
Varotra : Nampiofana ireo mpandraharaha ara-barotra mikasika ny lalàna mifehy ny varotra anatiny sy ivelany no foto-dian’ny minisiteran’ny varotra tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ny faran’ny herinandro teo. Tsy latsa-danja tamin’izany ny fanofanana ireo voakasika mikasika ny teknolojia vaovao.
Fetin’ny Reny : Hanao hetsika goavana entina hanamarihana ny fetin’ny Reny ny fikambanan’ireo mpanao asa tanana etsy Andravoahangy na ny FIMPITAMA. Ny tanjona moa araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana dia ny hanome hasina sy lanja ny taozavatra malagasy.
Voafonja : Nanolotra fanomezana ho an’ny fianakavian’ireo voafonja vokatry ny raharaha 2009 ny Gasy Tia Tanindrazana any La Frantsa. Ny faran’ny herinandro teo no nanatontosany ny hetsika, nahitana fotsimbary sy bodofotsy. Ity no hetsika faharoa nataon’ny Gasy Tia Tanindrazana any La Frantsa teto amintsika taorian’ilay hetsika ara-tsosialy nataony voalohany, efa-bolana lasa izay.
Tetezamita iraisana : Teknisianina tsotra no tokony hitantana ny tetezamita iraisana, hoy ny CCOC. Tsy tokony ho hita taratra intsony ny mpanao politika, araka izany, hoy izy ireo ihany na avy amin’ny fironana inona na avy amin’ny fironana inona. Na izany aza mbola nanamafy ny CCOC fa ny tetezamita hiaraha-mitantana ihany no vahaolana hivoahan’ny firenena amin’izao krizy izao.
Ady amin’ny valala : Hohamafisina ny ady amin’ny valala any amin’ny distrikan’Ankazoabo Atsimo. Hisy ny ekipa hapetraka any an-toerana hanara-maso ny toerana hitobian’ny valala. Tany 100.000 ha no efa nanaovana ny asa araka ny vaovao voaray saingy tsy hijanona hatreo. Ny tanjona dia ny hiarovana ny fambolena, indrindra ny vary.
Foara : Hotontosaina ny 7 ka hatramin’ny 12 jona ho avy io any Antanambao Mahatsara, distrikan’i Vatomandry ny festival kafé sy ny foara langobe. Kaominina enina no hiara-handray anjara amin’izany izay samy manana tanjona hampandroso ny faritra misy. Homen-danja manokana mandritra ny hadimiana ny vokatra kafe sy ny namany izay mampahalaza ity faritra ity.
Fitsaboana : Ezahina hapetraka mialoha ny faran’ny taona ao amin’ny hopitaliben’i Fianarantsoa ny foibe fitsaboana ny olona tratry ny aretina homamiadana. Efa mitsangana ny fotodrafitrasa ankehitriny. Ny fampitaovana sy ny fandrindrana ny fiaraha-miasa sisa andrasana araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra dia hanomboka amin’izay ny fiatrehana ny asa.
Lakolosy : Nahazo lakolosy mandeha amin’ny herinaratra ny fiangonana fjkm Namontana fialofana. Notokanana tamim-pomba ofisialy ny alahady 16 mey teo fotodrafitrasa. 5 km manodidina ny fiangonana dia efa afaka mandre ity lakolosy mandeha amin’ny herinaratra ity. Tokana dia ny Fjkm Antanambao Faralahy Andriamazoto any Antsiranana ihany no nanana azy hatramin’izay. Ny tanjona moa dia ny hanehoana amin’ny rehetra fa tsy tara amin’ny fivoaran’ny teknolojia ny fiangonana.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.