Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 12 Mey 2010


Soso-kevitra : Nanome ny soso-keviny mikasika ny lalana hivoahan’ny firenena amin’ny krizy ny Antoko Miombon’Ezaka na ny AME. Nambaran’izy ireo fa tsy misy afa tsy ny fiarahan’ny miaramila sy ny teknisiana ary ny sivily ao anaty governemanta ihany no hany vahaolana. Ireo hery telo ireo ho izy ireo no indray hanomana sy hamolavola ny fifidianana izay tokony hovitaina mialoha ny faran’ny taona. Nohamafisin’ny AME anefa fa tsy tokony hisy mpanao politika hiditra ao anatin’io governemanta io. 

Traikefa : Ho an-dReboza Julien, sekretera nasionalin’ny SPDUM dia tsy tokony horaisina fotsiny hoe miaramila sy sivily no ho ao anaty governemanta fa izay manana traikefa ihany no tokony ho hita ao hahafahana miroso haingana amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka hotontosaina amin’ny volana aogositra ho avy io.
 
Solitany : Sehatr’asa iray mahasarika mpizahatany be indrindra eto amintsika ny fitrandrahana solika. 16 isa ireo kaompania miara-miasa amin’i Madagasikara amin’izao fotoana toy ny avy any Etazonia, Chine, Grande-Bretagne, Afrika… Fifanarahana 24 no efa misy ankehitriny dia ny fitrandrahana an-tanety sy an-dranomasina. Manodidina ny 100 tapitrisa Dolara ny vola ilaina amin’iry sehatr’asa voalohany raha 300 tapitrisa dolara kosa itsy faharoa. 20 taona aorian’ny fotoana hanombohany ny asa vao afaka mioty ny vokatra ny mpitrandraka.
 
Tranoben’ny tantsaha : Mitohy hatrany ny asa sahanin’ny tranoben’ny tantsaha na dia efa hatramin’ny ela aza no niato ny fiaraha-miasany tamin’ireo mpiara-miombon’antoka maro isan-tsokajiny. Asa hatrehin’izy ireo ankehitriny ny hametraka ireo olona hitantana ilay rafitra vaovao vao najoro hiahy sy hanampy ny tantsaha. Tafiditra ao anatin’izany ny fijerena ireo sampandraharaha tsirairay avy sy ny fampahafantarana ny rehetra ny anjara toeran’ny tantsaha eto amin’ny firenena.
 
Fanamboaran-dalana : Nasiam-panamboarana ny lalana ao an-tampon-tanànan’Arivonimamo. Vatan-dehilahy mihoatra ny 18 taona am-polony maro no nandray anjara tamin’izany ny faran’ny herinandro teo. Lalana efa tsy azo nampiasaina nandritra ny roa taona io nasiam-panamboarana io, niarahana tamin’ny solombavambahoaka Tiako I Madagasikara teo aloha Rakotomanjato Rodin.
 
Foara : Hotontosaina ny 21 ka hatramin’ny 24 mey ho avy io ny tsenabe ao amin’ny kaominina ambanivohitra Fiadanana, distrikan’Ambohidratrimo. Teny filamatra hanorenana ny hetsika ny hoe : « dingan-dava ho fampandrosoana an’i Fiadanana ». Arahin’ny fanokanana fotodrafitrasa maro sosona ny hetsika toy ny lalana rarivato mampitohy ireo fokontany sasantsasany, ny paompin-drano fisotro madio, ny sekoly Ceg vaovao… Na izany aza mbola maro ny olana sedrain’ity kaominina ity toy ny haratsian-dalana sy ny tsy fisian’ny herinaratra.
 
Sazy miantona : Omaly no notsaraina ireo tovovavy telo izay tratran'ny polisy nifoka rongony tetsy Antaninarenina. Sazy miantona no azon'ireo miampy lamandy 50.000 ariary. Raha tsiahivina dia nandritry ny hetsika tampotampoka izay notarihan'ny minisitry ny filaminana anatiny no nahazoana azy telo ireo. Mbola sarona niaraka taminy ny fonosana rongony roa hafa rehefa nosavaina.
 
Maty tsy tra-drano : Teratany italiana iray no nisy nitiftra omaly tany Toliara. Araka ny fantatra dia iny izy hiditra ny tranony iny mihitsy no nisy nitifitra. Basy mahery vaika mihitsy no nandavo an'ity vahiny ity satria araka ny vavao avy any an-toerana dia balana kalach mihitsy no nadoaka ny vatany. Maty tsy tra-drano moa ity teratany vahiny ity. Mpitandro ny filaminana teo aloha ity italiana ity raha ny vaovao ary misotro ronono no antony ipetrahany eto. Manao ny famotorana ny mpitandro ny filaminana any an-toerana ankehitriny. Tsy mbola nisy kosa ny voarohirohy hatreto.
 
Skotisma : Notoloran’ny «Eclaireur et Eclaireuse de France» solosaina  sy boky fianarana maromaro ny Kiadin’i Madagasikara. Teny amin’ny akanin’ny Kiady eny Amparibe no nanoloran’ny mpikambana ireo fanomezana ireo ny alatsinainy hariva teo. Ankoatra ny sehatra maha skoto dia voaresaka nandritra ny fihaonan’ny roa ny fisakaizana izay efa nanomboka tamin’ny taona 1999.
 
Avotra : Nieren-doza ireo mpanao gazety namita iraka tany amin’ny kaominina Ankililaoka, distrikan’i Toliara II ny faran’ny herinandro teo. Sendra ny dahalo mpanakan-dalana mantsy izy ireo tao amin’ny fokontanin’i Mahaboboka, lalana tsy maintsy nolalovany. Nisy ny fiantsoana mpitandro ny filaminana avy hatrany taorian’izany mba hanampy sy hiaro azy ireo. Voatery nanapoaka basy ireto farany raha vao niditra ny tanàna nisavana ny lalana. Niporitsaka vokatr’izany ireo mpanao ratsy ka avotra soa aman-tsara ireo mpanao gazety.
 
Mahasolo : Fotodrafitrasa roa sosona no indray notsofin-drano tany Ampanotokana Mahasolo ny faran’ny herinandro teo. Nisantarana izany ny efitranon-tsekoly fanampiny ho an’ny sekoly masindahy Joany narahin’ny trano natokana hitaizana ireo ankizy tratry ny fahasembanana hatrany an-kibon-dreniny. Fotodrafitrasa fahefatra tantanan-dry masera any an-toerana io.
 
Tontolo iainana : Ny iray ka hatramin’ny 05 jona ho avy izao no hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana eto amintsika. Fanadiovana ny araben’ny fahaleovantena etsy Analakely no hisantarana izany ny fiandohan’ny volana jona izay efa tafiditra sahady ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taona nahazoantsika ny fahaleovantena. Fanentanana hatao ao Ankazobe no hanohizana ny hetsika ny 02 jona. Hitohy ao Betsiboka izany ny 03 jona hampirisihina sy hanentanana ny olona hikajy ny voly hazo ary hofaranana ao Ankarafantsika Ambatoboeny ny 04 sy ny 05 jona izay sady ivon’ny lanonana.
 
Fifamoivoizana : Roso amin’ilay tetikasa  hampihenana ny fitohanan’ny fiarakodia eto an-drenivohitra ny kaominina Antananarivo renivohitra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamaivanana ny fifamoivoizana sy ny fivezivezen’ny mponina. Hisy ny fepetra tsy maintsy horaisina mandritra izany toy ny fanamafisana ny fampiharana ny lalàna ho an’ireo fiarakodia mijanona tsy amin’antony eny rehetra eny…Ny polisy monisipaly no hanatontosa ny asa izay marihina fa hanao fanentanana mandritra ny herinandro aloha vao hiroso amin’ilay tena asa.
 
Fanabeazana : Niatrika fiofanana tao amin’ny INFP omaly ireo mpampiofana ho mpampianatra eo anivon’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Antony nanaovana izao fanofanana izao ny fahitan’ny minisitera fa mbola maro ny lesoka tokony harenina momba ny sehatry ny fanabeazana eto amintsika. Ny tanjona moa dia ny hametrahana ny sehatry ny fanabeazana amin’ny toerana tokony hisy azy.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT