Hitokona : Hanatontosa fitokonana fanairana ireo mpiasa eo anivon’ireo birao sy sampandraharaha ao amin’ny Trésor rahampitso alarobia. Noho ny fisian’ireo fitsabahana andraikitra maro samihafa sy ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny sasany no anton’ny fitokonana. Takian’ny mpiasa ny hanavaozana sy hanitsiana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana hisian’ny mangarahara.
Hamafisina : Hanehoana eo imason’izao tontolo izao fa tsy mila Andry Rajoelina no antony hanaovan’ny ankolafy Madagasikara, hivondronan’ny firehana Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert hetsika goavana amin’ity herinandro ity. Hamafisina ny hetsika miainga ifotony, hoy Rakotovazaha Olivier, sekretera jeneralin’ny MFM. Ho an’ny alakamisy manokana, ny 13 mey, dia hisy filaharambe hatao amin’io.
Tsy hisy : Tsy mahavaha olana ireo mpanao politika Malagasy, hoy i Jean Eric Rakotoarisoa, mpahay momba ny lalàmpanorenana. Tsy hisy izany Pretoria 2 izany, hoy izy. Eto Madagasikara ihany no tsara hanaovana izany dinika izany, hoy ihany izy.
Datim-pifidianana : Hihaona amin’ny mpanao gazety ny Kmf/Cnoe anio hanehoany ny heviny mikasika ny datim-pifidianana natolotry ny CENI.
Fanamasinana : Nahazo Eveka vaovao ny diosezin’i Morondava. Amin’ny alahady ho avy io no hatao ny fanamasinana azy any an-toerana. Omaly no niainga tao Antsirabe hihazo an’i Madiokely ity Eveka ity ary hotsenaina ao Morondava rahampitso. Efa ho tapa-bolana izao no nitsangana tany an-toerana ny komity mpanomana ny lanonana.
Karama : Misedra olana ny ankamaroan’ireo kaominina ambanivohitra, ivelan’Antananarivo renivohitra. Hatramin’ny nisian’ny krizy teto amin’ny firenena mantsy dia zara raha mahaloa ny karaman’ny mpiasa ny vola miditra. Ny vahoaka rahateo tsy manana fahafahana handoa hetra intsony na dia mandeha tsy an-kiato aza ny fanentanana. Vokany, maro amin’ireo mpiasan’ny kaominina no tsy mandray karama. Efa mahatratra dimy volana izany ho an’ireo kaominina sasantsasany raha vao manomboka kosa ny an’ny sasany.
Nankalaza : Asa no nentin’ny Croix Rouge Mandoto nankalazana ny andron’ny 08 mey. Fandiovana fantsakana rano no natao tamin’izany tao amin’ny kaominin’Ambararata. Anisan’ny nodiovina nandritra ity fotoana ity ilay fantsakana nentim-paharazana sy ny iray avy tamin’ny Seecaline. Nanana ny hetsika manokana nataony koa ny tao amin’ny kaominin’i Betiona. Velona sady miasa ny Croix Rouge Malagasy, hoy ny lohahevitra nosafidina tamin’izany.
Zokiolona : Mijoro ara-panjakana ankehitriny fikambanan’ny zokiolona ao Maroantsetra izay fantatra amin’ny anarana hoe : FIZOMAROA. Zokiolona 130 aloha no mpikambana amin’izao fotoana izao. Ahitana Filoha iray ity fikambanana ity, Filoha lefitra roa, mpitahiry vola roa ary mpanamarim-bola roa.
Fanabeazana aizana : Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny lanonana famaranana ilay tetikasa fampihenana ny olana ara-pananahana eo amin’ny vehivavy notontosain’ny Mouvement Français pour le Planning Familial na ny MFPF teny amin’ny kianja Ramanandraibe Antohomadinika. Nivoitra nandritra ny hetsika ny fampianarana ny vehivavy eny amin’ny faritra iva momba ny olana ara-pananahana sy ny fiatrehana izany ary ny zony sy ny momba ny tenany koa. Nisy ny fizarana fomba fanabeazana aizana maimaimpoana nandritra izany.
Serasera : Kaominina iray ao anatin’ny faritra Analanjirofo ny kaominin’i Vohipeno. Afa-po ny mponina amin’ity kaominina ity amin’ireo ezaka efa vitany. Anisan’izany ny fahazoany dokotera, ny fanamboaran-dalana sy ny tranompokonolona sy ny sisa. Notoloran’ny Faritra antenne ny kaominina hahafahan’ny mponina any an-toerana mandray ny fandaharan’ny TVM.
Milin-kajy : Ho tonga sy ho azo hampiasaina eto amintsika manomboka amin’ny faran’ny taona ho avy io ilay milin-kajy na “machine à calculer” hamadika ny vola frantsay amin’ny teny gasy faran’izay haingana. Teratany Malagasy nanao fikarohana tany Soisa no nahita ny vokatra. Hampiavaka ity milin-kajy ity amin’ny “machine à calculer” efa mahazatra ny fomba fiasany faran’izay haingana sy ny asa vitany.
Fotodrafitrasa : Afa-pahasahiranana ny mponina any amin’ny distrikan’i Betafo. Fotodrafitrasa roa sosona no indray notokanana tamim-pomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo dia ny tohodrano iray lehibe manondraka velaran-tany 700 ha sy tetezana iray. Kaominina enina no hahazo tombontsoa amin’izany nandaniana lelavola 20 tapitrisa Ar. Tamin’ny alalan’ny asa tana-maro no nanatontosana ny asa, nandaniana 14 tapitrisa Ar manokana. Namatsy vola ny asa ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana.
Santatra: Hivoaka ny volana jolay ho avy io ireo mpianatra nanaraka fiofanana manokana ho mpitsabo mpanampy ao amin’ny sekoly ambony tsy miankina Inspnmad etsy Ambaranjana. Miisa 23 izy ireo ao amin’ny andiany indray mihira “Santatra” sady andiany voalohany havoakan’ity sekoly ambony iray ity izay marihina ihany koa fa anisan’ny sekoly nanofana voalohany ny mpianatra ho lasa mpitsabo mpanampy.
Tsena : Tsy mety voafehy hitoby amina toerana iray ireo mpivarotra amoron-dalana manodidina ny rovan’Ambohimanga. Efa nisy, araka ny fanadihadiana natao, ny toerana nomen’ny Ben’ny tanàna teo aloha azy ireo saingy tsy nahasarika azy. Eo am-panatanterahana ny fanamboarana ireo tranoheva hivarotan’izy ireo indray ny Ben’ny tanàna ankehitriny koa inoana fa hivaha amin’izay ny olana. Ilay tsena natolotra azy ireo teo aloha mantsy tsy nisy fotodrafitrasa fa tany malalaka be fotsiny ihany.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.