Actualités

Tapatapany


  • Alatsinainy 10 Mey 2010


Nodimandry : Nodimandry omaly maraina teo amin’ny faha-68 taonany ny jeneraly Bory Jean Paul. Eny Malaza no hiainga ny razana anio maraina, hampandalovina eny amin’ny Toby Ratsimandrava, mialoha ny fametrahana ny nofo mangatsiakany any Toliara, toerana niaviany. Efa nitana andraikitra maro teto amin’ny tany sy ny firenena Ratompokolahy. Anisan’izany ny naha-Général de corps d’armée azy teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Tonga nitsapa alahelo ireo fianakaviany teny an-toerana omaly ny Praiminisitra ny fitondrana tetezamita sy ny minisitry ny fambolena. 

Governemanta : Raha tsy misy ny fiovana dia hampahafantarina anio ireo mpikambana amin’ny governemanta Vital. Dimy volana taorian’ny nanendrena azy ho lehiben’ny governemanta vao misy izao fanovana izao. Re anefa fa betsaka ny ady varotra seza amin’izao fotoana izao, ao koa ireo mandrahona tsy hiala.
 
Hanao rodobe : miantso ireo katolika relijiozy, laika, tanora mahatsiaro tena ho kamboty velon-draiamandreny hanao rodobe eny Andohalo ny sabotsy izao ny Vondron’ny Kristiana Katolika mijoro amin’ny fahamarinana. Ankoatra ny vavaka, dia hanatitra taratasy misy ny hetaheta ao amin’ny arsevekan’Antananarivo izy ireo.
 
Fotodrafitrasa : Fotodrafitrasa maro no ilam-panarenana any amin’ny distrikan’i Betroka. Laharam-pahamehana amin’izany ny tohodrano hahafahan’ny tantsaha mampitombo ny vokatra. Araka ny fantatra mantsy dia efa fotodrafitrasa tamin’ny andron’ny fanjanahantany avokoa no hampiasain’ireo tantsaha any an-toerana. Anisan’ny toerana tena mamokatra anefa i Betroka. Ao aminy avokoa no mivoaka ireo vokatra vary sy mangahazo ary tongolo mamatsy ny faritra atsimo. Antso avo, araka izany, no hataon’ny lehiben’ny distrika amin’ny fitondrana tetezamita.
 
Orana mena : Handray fepetra mikasika ny fanaratoana ny orana mena ry zareo any amin’ny faritr’Anosy. Araka ny fantatra mantsy dia tsy mitsaha-mitontongana ny vokatra miakatra nanomboka tamin’ny taona 2006. Izany dia vokatry ny tsirambina ataon’ny mpanjono, indrindra ny fanaratoana ny orana mena ao anatin’ny fotoana fanatodizany. Hisy manomboka izao ny fijerena akaiky ny mikasika izany ka hampiharana ny sazy amin’ireo izay tratra mihoa-pefy.
 
Hain-trano : Trano iray no forehitry ny afo tany Tanambao, faritra voalohany, distrikan’Antalaha ny alakamisy hifoha zoma lasa teo. Vokatry ny “court circuit” tamina radio tao amin’io trano io no nahatonga ny loza. Vokany, lasa lavenona avokoa ny entana rehetra saingy tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy nafoy. Tsiahivina fa vetivety dia voafehy ny afo. Saika nitera-doza mantsy izany noho ny fisian’ny toeram-pivarotan-tsolika iray mifanakaiky amin’ilay trano niharan-doza.
 
Nahazo namana : Nahazo namana ny lehiben’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Antalaha. Tafapetraka ny faran’ny herinandro teo ny filohan’ny fitsarana vaovao hiasa any an-toerana. Narahin’ny famelabelaran-kevitra notarihin’ny lehiben’ny fampanoavana avy hatrany ny lanonana taorian’izany niompana tamin’ilay loha-hevitra hoe : ny andraikitry ny fitsarana manoloana ny fiarovana ny hazo sarobidy.
 
 
Nahazo : Fotodrafitrasa maro sosona no indray notokanana tao amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Ankadilalana ny faran’ny herinandro teo. Anisan’izany ny fanasan-damba iraisana misahana tokantrano maromaro sy ny tsangambato misy ny anaran’ireo komandy 16 nandalo tao amin’ny toby nanomboka ny taona 1963 ka hatramin’ity taona 2010 ity. Nivoitra nandritra ny kabary nifandimbiasana fa zava-dehibe ho an’ny zandarimariam-pirenena ny fahazoany izao fotodrafitrasa izao hahafahany manatsara ny asa sahaniny dia ny fitandroana ny fandriampahalemana izany.
 
Vaovao : Fiaraha-mitantana no hapetraka hahafahana mampandeha araka ny tokony ho izy ny fitantanana ny mpiasa ao amin’ny radio sy tele Varatraza mandra-pivahan’ny olana. Io no valin’ny fitakiana nataon’ireo mpiasa tao tamin’ny alalan’ny fitokonana notontosaina nandritra ny herinandro, nanomboka ny 02 mey lasa teo. Efa niverina amin’ny laoniny toy ny teo aloha, araka izany, ny fampihodinana ity masoivohon’ny haino aman-jery any amin’ny Antsiranana ity.
 
Vonjy voina : Teny Ankadikely no namaranan’ny fikambanana Croix Rouge Malagasy ny andro iraisam-pirenena ho azy omaly alahady raha teny Ambohidratrimo no nanokafany ny lanonana ny zoma lasa teo. Nisy nandritra ny hetsika ny fampianarana vonjy voina maimaimpoana ho an’ireo izay liana tamin’izany, narahin’ny fizarana sakafo maimaimpoana ho an’ireo olona sahirana miisa 300 isan’andro nandritra ny hateloana. Nisy ihany koa ny fizarana odin-kankana ho an’ny ankizy. “Ny fitaran’ny hain-trano sy ny fiantraikany amin’ny olombelona” no lohahevitra novoaboasana nandritra izany.
 
Baolina kitra : Tontosaina any amin’ny kianja maitso ao amin’ny Ceg Ambohimandry ny fifaninanana baolina kitra karakarain’ny fari-piadidiam-pampianaran’Arivonimamo. Fileovana 26 isa no mandray anjara amin’izany hiady ny omby mifahy, loka goavana miandry izay mahazo ny laharana voalohany. Fanamiana ara-panatanjahantena kosa no hiandry ireo izay mahazo ny laharana faharoa sy fahatelo.
 
Foara rezionaly : Miomana sahady amin’ny foara rezionaly izay hotontosaina amin’ny volana jona ho avy io ny fianakaviam-ben’ny faritra Alaotra Mangoro. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona natrehin’izy ireo, notarihin’ny lehiben’ny faritra sady filohan’ity fikambanambe ity. Fambolen-kazo nanodidina ny faritra no nanamarihana ny fotoana, narahin’ny fananganana rafitra na statut izay nofaranana tamin’ny famelabelaran-kevitra mikasika ny fampiroboroboana ny voly vary. 
 
Loza : Nirodana tampoka ny lapihazo natokana hametrahana ireo mpijery nasaina manokana ary olona dimy no naratra vokatr’izany nandritra ny fampisehoan’ny tarika Mahaleo tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina omaly tolakandro. Niato minitra maromaro ny fampisehoana vokatr’izany.
 
Zafindraony : tontosa tao amin’ny sehatra maitso Antsahamanitra ny sabotsy lasa teo ny seho Zafindraony Fanafahana izay nokarakarain’ny Toby Soatanana Ilafy. Nahafa-po na ireo mpikarakara, na ireo mpijery iny hetsika iny izay naneho ny fiverenana ifotony ao anatin’ny fiderana Ilay Mpahary.
 
The Marololo : Nitombo isa ny mpanakanto Malagasy. Tafatsangana ny volana Febroary lasa teo ny tarika “The Marololo” hiangaly ny mozika mavesatra ahitana ireo gadon-kiza maro karazana. Dimy lahy izy ireo no mandrafitra ny tarika izay manana tanjona hanandratra avo ny hira Malagasy amin’ny fomba miavaka.
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT