Actualités

Tapatapany


  • Zoma 07 Mey 2010


 
Fanadinam-panjakana : Hotanterahina ny 25 ka hatramin’ny 27 aogositra ho avy io ny fanadinam-panjakana handraisana ho “agent d’exploitation” ao amin’ny paositra ka mpifaninana miisa 60 no horaisina manerana ny Nosy. Fifaninanana mivantana sy professionnel no hanatanterahana izany, izay tsy mitaky afa-tsy ny mari-pahaizana Bepc. 

Croix Rouge : Hanao hetsika hampahafantatra ny andraikitra sahaniny ny Croix Rouge Malagasy. Manomboka anio no hanatontosany izany izay hifarana ny alahady 09 mey ho avy io. Hisy ny hetsika isam-paritra ka ho an’Antananarivo manokana dia eny Iavoloha no hanatanterahana izany rahampitso sabotsy, ka handravaka ny lanonana ny filatroana, ny varotra fampirantiana, ny fizarana sakafo ho an’ireo sahirana ankoatra ny odin-kankana omena maimaimpoana natokana ho an’ny ankizy. Mpikambana sy mpilatsaka an-tsitrapo miisa 600 no handray anjara amin’izany.
 
Voafehy : Efa voafehy tanteraka ankehitriny ireo andiam-balala namely ny faritr’Ihorombe taorian’ny fiaraha-mientan’ny faritra sy ny fokonolona. Na izany aza mbola mampanahy ihany ny fahafoizan’ny atodiny taorian’ny ranon’orana nitranga tany an-toerana. Manentana ny rehetra, araka izany, ny lehiben’ny faritra mba samy ho mailo raha vantany vao mahita andiam-balala.
 
Tazo mahery : Miakatra ny tahan’ireo olona tratry ny aretina tazo mahery any amin’ny distrikan’i Taolagnaro. Ireo zaza latsaky ny dimy taona no tena lasibatra vokatry ny tandrevaka ataon’ny ray aman-dreniny. Anisan’izany ny fanaovana dokotera tenany ka anaovana antsirambina ireo fanafody fanefitra avy amin’ny dokotera. Marihina fa mahatratra 30 isan-tsegondra ireo zaza maty vokatry ny aretina tazo moka maneran-tany.
 
Asa tana-maro : Hanaovana asa tana-maro ny fanamboarana ireo tatadrano sy tanimbary tototry ny atsanga vokatry ny fandalovan’ny rivodoza farany teo any amin’ny distrikan’i Vohipeno. Hampitomboina ihany koa ny masomboly omena ny mponina. Nisongadina ireo nandritra ny fandalovan’ny iraky ny Minisiteran’ny fambolena tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Hahazo tombontsoa manokana amin’izany ireo manana tany efa vonona. Efa ao Antsirabe moa ireo masomboly ireo araka ny vaovao voaray.
 
Ripaka : Mirongatra ny hala-botry any amin’ny fokontany Soamanandray, kaominina Anosiala. Ripaka avokoa ny vokatra any an-tsaha ary mahita faisana ihany koa ny biby fiompy. Reniomby iray efa ho teraka ny herinandro lasa teo no norasarasain’ireo tsy mataho-tody ka ny taolany sisa no hita. Mandry andriran’antsy vokatr’izany ny mponina. Marihina fa anisan’ny tanàna tsy nanana olana tamin’ny resaka fandriampahalemana Soamanandray teo aloha. Taorian’ny krizy nitranga teto amin’ny firenena anefa dia lasa faritra mena izy.
 
Kere : Nikaon-doha nitady vahaolana mikasika ny kere mihatra amin’ny mponina any Ampanihy Andrefana ireo manampahefana any an-toerana, ny fiandohan’ny herinandro, teo notarihin’ny lehiben’ny boriborintany sy ireo sefo fokontany 24. Na dia ireo raketa fihinan’ny mponina aza mantsy tsy mamoa intsony vokatry ny tsy fisian’ny ranon’orana. Mampanahy be ihany ny zava-mitranga vokatr’izany koa hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny fitondram-panjakana.
 
Solika : Nihaona tamin’ireo mpianatra eny Vontovorona ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny PETROMAD, orinasa mpitrandraka solika niresaka indrindra mikasika ny fikarohana solika eto amintsika. Nisongadina nandritra ny fihaonana fa omen’ity orinasa mpitrandraka solika ity fiofanana maimaimpoana ireto mpianatra ireto aorian’ny fahavitan’ny fianarany. Rehefa izany dia horaisiny ho mpiasa raikitra izy ireo. Tsiahivina fa amin’ny taona 2011 no hamoaka injeniera momba ny solika ny eny Vontovorona.
 
Foara iraisam-pirenena : Manitsaka ny andro faharoa ilay foara iraisam-pirenena FIM tontosaina eny amin’ny toerana fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato. Foara hanomezana sehatra ny toekarena taorian’ny krizy politika nitranga teto Madagasikara. Anisan’ny mitana anjara toerana lehibe ao anatin’izany ny agri-business. Nomena ny sehatry ny fizahantany ny 14%, an’ny fandraharahana ny 12%, an’ny indostria ny 8%, an’ny fitaterana sy ny logistika ny 80% raha nomena ny mpamokatra taozavatra sy ny mpampiasa vola kosa ny 12%.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT