Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 04 Mey 2010


Delestazy : Tapaka nandritra ny ora vitsivitsy ny lalam-pirenena faha-2 eo Barikadimy. Nobahanan’ny mpianatry ny oniversite teo amin’ny arabe, nasian’izy ireo tsivalana nanehoan’izy ireo ny tsy hafaliany ny amin’ny fahatapahan’ny jiro na delestazy lava ao an-toerana izay nanampy trotraka ny tsy mbola nahazoan’ny mpianatra ny vatsimpianarana. 

Fanavotana : Niala tamin’ny fahanginany i Tonton Ambroise manoloana ny fikatsoan’ny raharaham-pirenena tsy ahitam-bahaolana ankehitriny fa toa vao maika mampitombo ny fahoriam-bahoaka ka miantso ny miaramila madio tanàna ny tenany, handray andraikitra hanavotana ny firenena ka hananganana governemanta iraisan’ny sivily sy miaramila, tsy nandray anjara na niray petsapetsa tamin’ny mpanongam-panjakana.
 
Hisolo toerana : Nampanantena ny hanendry izay ho Minisitry ny fiarovam-pirenena, hisolo toerana ny jeneraly Rakotonandrasana Noël, tsy hiandry akory ny dinika tany Pretoria ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, nandritra ny fandaharana tamin’ny fahitalavim-panjaka ny 14 aprily. Tsy tanteraka izany hatreto.
 
Moramanga : Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ry zareo tany amin’ny disitrikan’i Moramanga omaly. Anisan’ny nisongadina indrindra tamin’izany ny fanokanan’ireo mpanao gazety namana ora vitsivitsy nahatsiarovana mangina ireo namana efa nodimandry.
 
Sekoly : Sekoly vaovao miisa 200 no vitan’ny fitondrana tetezamita tao anatin’ny herintaona. Anisan’izany ireo Epp 8 any Avaradrano. Nisongadina ireo nandritra ny fanokanana ny CEG eny Masindray sy ireo Epp roa eny an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Hisokatra tsy ho ela ihany koa ny eny Ambohitrolomahitsy.
 
Fanaovan-gazety : Isan’ny nanamarika ny andron’ny 3 mey, andro iraisam-pirenen’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ny hetsika nokarakarain’ny mpanao gazety zokiolona tao amin’ny Cite Ambatonakanga. Nivoitra tamin’izany fa tsy atolotra na tongatonga ho azy ny fahalalahana fa iadivana ny fahazoana izany. Nanome voninahitra ary nandray anjara tamin’ny hetsika ny Minisitry ny serasera Nathalie Rabe.
 
Sakaraha : Hetsika fanadiovan-tanàna no nentin’ireo fikambanana ara-tsosialy maro any Sakaraha nanamarihana ny fetin’ny asa ny fiandohan’ny volana mey lasa teo. Narahin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena nandraisan’ny tanora anjara izany ary nofaranana tamin’ny alim-pandihizana nokarakarain’ny fikambanan’ireo andriambavilanitra.
 
Karama : Tokony ho 4 hetsy Ar farafahakeliny ny karama raisin’ny mpiasa malagasy isam-bolana. Tao anatin’ny fiaraha-midiniky ny sendikan’ny mpiasa malagasy eto Madagasikara no nahafantarana izany. Ankoatra izay dia nanambara ihany koa izy ireo fa tsy mbola ampy ka tokony hiadiana mafy ny fiarovana ny mpiasa manoloana ny fanatontoloana.
 
Fitsarana tampony : Nandray ny asany nanomboka omaly ny filoha voalohan’ny fitsarana tampony, Rajaonera Delmotte Clementine. Notanterahana teny Anosy ny fametrahana azy amin’ny toerany amin’ny fomba ofisialy taorian’ny fanavaozam-pianianany. Mpitsara manana ny grady ambony (premier grade) izy. Mijery sy manara-maso ny asan’ny mpitsara raha mifanaraka amin’ny fitsipi-pitondrantena mifehy azy no anjara asany.
 
Morafenobe : Hisy andiana mpitsabo hitsabo maimaimpoana ny aretin’ny fo sy ny avokavoka any Morafenobe ny 07mey ho avy io. Ao amin’ny dispensaire Rovakely no hanaovana ny hetsika, hiarahana amin’ny dokotera Modeste. Ny hanalana fahasahiranana ny mponina no tanjona.
 
Herinandron’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava : Any Fihaonana Ankazobe no hanamarihan’ny faritra Analamanga ny herinandron’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava rahampitso alarobia 05 mey. Olona manodidina ny 1500 isa no kendrena hahazo tombontsoa amin’izany manerana ireo kaominina 11 ao anatin’ny distrika 8. Hisy ny fitiliana sy fitsaboana ary fanalana nify maimaimpoana mandritra izany.
 
Brickaville : Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona 13 tany amin’ny PK 241, lalana mihazo an’i Brickaville afak’omaly alahady. Tsy fantatra mazava izay antony nahavoa ny fiara taorian’ny nivarinany tany an-kady. Vokany, maro tamin’izy 13 mianaka no tapa-tanana sy tapa-tongotra ankoatra ireo folaka…Nalefa any amin’ny hopitaliben’i Toamasina ireo hita fa voa mafy nandray ny fitsaboana sahaza azy. Avy any Analavory ity fiara tra-doza ity no niainga
 
Fifaninanana : Tontosa omaly ny fizarana ny lokan’ireo mpanao gazety nandray anjara tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny masoivoho Amerikanina. Saika mpanao gazety vehivavy avokoa no nandrombaka ny loka telo voalohany ho an’ny gazety an-tsoratra raha tany amin’ny televiziona kosa vao nahitana lehilahy.
 
EPP Soamanandray : Tsy mbola nahazo ny anjara fanampiany avy amin’ny fitondram-panjakana ireo mpampianatra Fram 4 amin’ny 6 miasa ao amin’ny EPP Soamanandray, kaominina Anosiala. Araka ny fantatra anefa dia indray mandeha isaky ny roa volana ihany izy ireo no mandray ny tambin-karamany satria izay no zakan’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT