Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 30 Aprily 2010


Tsy hanaiky : Efa nivonona ny hijanona eto Pretoria aho mandra-pahita vahaolana ifanarahan’ny rehetra. Tsy hanaiky ny vahoaka raha mbola handamoka indray ity fihaonana ity, ary tsy te ho tompon’andraikitra amin’izany aho, hoy i Marc Ravalomanana raha nitafa tamin’ny mpanao gazety taorian’ny nihazoany ny hotely misy azy rehefa avy nihaona tamin’ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma sy ny mpanelanelana amin’ny krizy Joaquim Chissano ny alin’ny alarobia teo. Nitohy omaly ny fihaonana.

 
Masoivoho Amerikanina : Nambaran’ny masoivoho Amerikanina miasa eto amintsika Niels Marquardt fa ny filoha Afrikana Tatsimo Jacob Zuma no nanasa azy hanatrika ny dinika any Pretoria. Nambarany fa vonona ny hanampy ny Malagasy amin’ny fivoahana amin’ny krizy ny tenany ary afaka mifanome tanana amin’ireo mpanelanelana ihany koa, raha ilaina izany.
 
Malaza : Mpanao gazety vahiny maherin’ny 30 no manaraka andro aman’alina ny fifampidinihan’ny samy Malagasy any Pretoria, ary manaparitaka ny vaovao manerana ny firenena maro.
 
Vidim-piainana : Nahatratra 7,9% ny fisondrotry ny vidim-piainana tato anatin’ny herintaona (martsa 2009 – martsa 2010) araka ny fanadihadiana farany nataon’ny INSTAT
 
Lalana : Mahatratra 11520 km ny lalana amboarina sy kojakojaina amin’ity taona ity, ary mitentina 46 miliara ariary ny tetibola amin’izany izay alaina avy ao amin’ny FER (Fonds d’Entretient Routier).
 
Vola : Misy akony eo amin’ny tsenam-bola anatiny eto amintsika ny fihenan-danjan’ny «euro» raha ampitahaina amin’ny dolara amerikana. Somary niakatra ny sandan’ny dolara ary nihena 1% kosa ny an’ny «euro».
 
Karama : Miandry ny fivoahan’ilay didim-panjakana amin’ny fomba ofisialy vao hampihatra ilay fampisondrotana 10% ny karaman’ny mpiasa nanomboka tamin’ny volana janoary teo, ny orinasa tsy miankina sasany. Nisy kosa moa ireo tonga dia nampihatra izany avy hatrany amin’ny fandraisan-karama amin’ity volana aprily ity.
 
Vonona : Taorian’ny fifandonan’ny mpitandro ny filaminana sy ny mpianatra tao amin’ny oniversiten’Antsiranana izay namoizana ain’olona iray sy naharatrana olona enina dia nanambara ry zareo eo anivon’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony fa efa vonona ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana omena azy ireo izay fototry ny fitokanana afak’omaly. Nisy taorian’izany ny lelavola 4 tapitrisa Ar natolony ny fianakavian’ilay namoy ny ainy sy ireo naratra ho fanohanana azy ireo. Tamin’ny anaran’ny fitondrana Fat no nanatanterahany izany.
 
Tra-tehaka : Hazo sarobidy «bois de rose» miisa 77 no tra-tehaky ny mpiasan’ny Madagascar National Parc sy ny Task Force ao Mananara Avaratra, tao Antsampanana Ambodifasika ny 22 aprily lasa teo. Natolotra ny tompon’andraikitra avy hatrany ny raharaha ary efa  misokatra ny fanadihadiana.
 
Antalaha : Nijoro any amin’ity distrika ity ny fikambanan’ny zanaky ny Faritra Ambalabe, hiaro sy hikajy ny tontolo iainana. Hanara-maso sy hiaro ny fandripahana ireo hazo sarobidy toy ny «bois de rose» any an-toerana no antom-pijoroany ankoatra ny fanentanana sy fanairana ny sain’ny mpiray tanindrazana. Marihina fa mahatratra 10.000 isa ankehitriny ireo mpitrandraka ala sy hazo any amin’ity faritra ity.
 
Traboina : Fianakaviana 505 no traboina tsy manan-kialofana any amin’ny fokontanin’i Maromitety I, distrikan’i Marolambo. Izany dia vokatry ny hain-trano nitranga tany an-toerana ny sabotsy lasa teo. Trano 56 isa no lasa lavenona niaraka tamin’ireo entana tao anatiny. Araka ny fanadihadiana natao dia vokatry ny tandrevaka nataona tokantrano iray mpanendy mofo no nahatonga ny loza.
 
Sampana vonjy voina : Hotokanana anio zoma ny sampana vonjy voina ao Andravoahangy, anjaran’ny Boriborintany fahatelo. Boriborintany enina no hahazo anjara amin’izany izay nosantarin’ny Boriborintany fahenina ao Ambohimanarina ny volana martsa lasa teo. Efa voatokana ny anjaran’ity farany raha miandry kosa ny an’ireo ambiny sisa hafa.
 
Fetin’ny asa : Niarahaba sahady ireo mpiasa rehetra manerana ny Nosy ny Minisitry ny asa omaly noho ny fahatongavan’ny fetin’ny asa.  Antso avo ho an’ny mpiara-miombon’antoka no nanohizany izany mba hifanome tanana amin’ny Minisitera hahafahana manatratra ireo tanjona tian-kotratrarina.
 
Foibe ara-kolontsaina Albert Camus : Haverina haseho an-tsehatra anio zoma ao amin’ny foibe ara-kolontsaina Albert Camus Analakely indray ilay horonan-tsarimihetsika «Ala maneno” rehefa nentina nitety faritra maro. Amin’ny endriny vaovao no hanehoana ity horonan-tsarimihetsika ity izay haharitra ora roa eo ho eo.
 
Nangonin’i Pati – Yves - RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT