Actualités

Tapatapany


  • Alakamisy 29 Aprily 2010


Fanelanelanana : Ny filoha afrikanina tatsimo Jacob Zuma sy ny filoha mozambikanina teo aloha Joaquim Chissano no hitarika ny fanelanelanana amin’ny dinika ho famahana ny krizy eto Madagasikara, atao atsy Afrika Atsimo. Mpanotrona fotsiny ihany ny sekretera frantsay Alain Joyandet, ny filohan’ny Vaomieran’ny firaisambe afrikanina Jean Ping sy ireo ambasadaoro avy amin’ny firenena samihafa tonga any Pretoria. 

Latsaka an-katerena : Ny hantan-jaza no nahalatsaka an-katerena ny firenena toy izao, hoy Rtoa Marthe, vehivavy Arema raha nikabary nandritra ny hetsiky ankolafy telo teny amin’ny kianja Alarobia. Manoloana izany, dia “manery anareo filoham-pirenena telo izahay vahoaka Malagasy tsy hiala any raha tsy mitondra ‘bonbon’.
 
Fifamelana : Fifandraisan-tanana sy fanolorana mari-pahatsiarovana teo amin’ny zandary tarihin’ny kolonely Richard Ravalomanana andaniny sy ny sampana tanora kristianina ao amin’ny Fjkm Ambohimamory notarihin’ny mpitandrina Randriamisata Roger ankilany, no nanamarika ny fiaraha-mivavaka ho fifamelana sy famitranam-pihavanana teo amin’ny roa tonta taorian’ny savorovoro nitranga teny an-toerana ny alatsinainy 19 aprily lasa teo.
 
Teknika vaovao : Nankatoavina ary dia nambara omaly tao amin’ny Lapa maitso tao Anosikely ny teknika vaovao hoentina hanavaozana ny fomba fampandrosoana ara-bola, ara-toekarena sy ara-tsosialy. Ny tanjona amin’ity tetikasa ity dia ny hanovana an’i Madagasikara ho firenena vaovao.
 
Herintaona : Herintaona katroka anio 29 aprily ny nisamboran’ny FIS notarihin’ny komandà isany, tamin’izany, Lyllison de Roland sy Charles Andrianasoavina an’i Manandafy Rakotonirina sy Ihanta Randriamandrato niaraka tamina kolonely roa sy olona efatra hafa. Nisy ny fampiasan-kery nandritra ny fisamborana azy ireo tao amin’ny Carlton. Nohelohin’ny fitsarana roa taona an-tranomaizina sazy mihantona i Manandahy, valo volana sazy mihantona ho an-dRtoa Ihanta, herintaona sazy mihantona avy kosa ho an’ireo ambiny.
 
Vory olona : Teny amin’ny kianja monisipaly Alarobia no nifamatoanan’ny ankolafy telo omaly, nanaovan’izy ireo fihetsiketsehana ho fanamafisana ny fitakiana ny fampiharana ny satan’i Maputo. Vory maro ny olona na dia andro fiasana aza ny omaly. Avoahy ny gadra ary atsaharo ny gidra, izay no qnisan’ny teny niverimberina teny an-toerana.
 
Fanampiana : Hizara fanampiana ho an’ireo traboina noho ny rivodoza “Hubert” ao Manakara ny Fjkm amin’ity herinandro ity. Tokantrano miisa 900 eo no hahazo tombontsoa amin’izany.
 
Hiditra lalina : Hiditra lalina eo amin’ny sehatra politika i Yvette Sylla, vady navelan’ny Praiminisitra sy filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Jacques Sylla. Nanangana antoko politika vaovao ny tenany, «Madagasikara Vaovao» no anaran’ny antoko tarihiny.
 
Nofinofy : Nifarana teo ny nofinofin’ny FC Barcelone handrombaka fanindroany indray ny amboaran’i Eoropa amin’ny ekipa tompondaka. Nofaranan’ny Inter de Milan teo amin’ny manasa-dalana ny dian’izy ireo. Tsy ampy niakaran-dry Messi any amin’ny lalao famaranana ny isa tokana 1 no 0 nandreseny ny ekipan’i Samuel Eto’o nandritra ny manasa-dalana miverina. Efa resin’ny Inter tamin’ny isa 3 no 1 tamin’ny lalao mandroso izy ireo. Koa dia ny Inter de Milan sy ny Bayern de Munich izany no hiatrika ny lalao famaranana hatao any Madrid Espana amin’ny volana mey ho avy io.
 
Famelabelaran-kevitra : Hanao famelabelaran-kevitra manodidina ny “fiantraikan’ny tsy maty manota” ao amin’ny Lapa maitso Anosikely anio maraina ny filoha lefitry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Roland Ratsiraka sady filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Tonga Saina. Antenaina fa dia horesahana amin’izany ny raharaha 13 mey 1972, 10 aogositra 1991, ka hatramin’ny 7 ferboary 2009.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT