Actualités

Tapatapany


  • Alarobia 28 Aprily 2010


Dinika : Niala an-tanindrazana omaly nihazo an’i Pretoria Afrika Atsimo ireo delegasiona hiatrika ny dinika ho famahana ny krizy eto Madagasikara hatao any an-toerana manomboka anio. Ny delegasiona Andry Rajoelina no niainga teo amin’ny manodidina ny mitatao vovonana. Ny hariva kosa no niainga avokoa ny delegasiona avy amin’ny ankolafy isany, Marc Ravalomanana, Didier Ratsiraka ary Zafy Albert. 

Miandry tanàna : Ny jeneraly Camille Vital no misahana ny fampandehanan-draharaha sy mpiandry tanàna mandritra ny fotoana tsy maha eto an-toerana an’i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny tetezamita.
 
Hanavotra : Nanasazy an’i Andry Rajoelina sy ireo 108 manohana azy ny SADC sy ny Afrikanina, ka ny Frantsay izao no hanavotra azy amin’ity dinika any Pretoria ity, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko MFM, Manandafy Rakotonirina anisan’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana lasa any Afrika Atsimo.
 
Fifampiraharahana : Niely ny feo teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato fa tsy afaka hiondrana hihazo an’i Afrika Atsimo ny ankolafy Ravalomanana. Nanda izany anefa ny teo amin’ny polisy misahana ny fiarovana ny sisintany. Na izany aza dia re fa nisy mpikambana roa ao amin’ny delegasiona manan-draharaha eny amin’ny fitsarana ka tokony tsy hahazo hivoaka saingy efa nisy ny fifampiraharahana nahafahan’izy ireo nandeha.
 
Raharaha Tiko : Hiakatra fitsarana indray anio ny raharaha Tiko. Resaka “redevance fiscale” izy ity, nitarika ireny fanagiazana ny fananan’ny orinasa nataon’ny fitondrana mahefa tamin’ny taon-dasa ireny.
 
Fanavotam-pirenena : Ho ambohipihaonan’ny ankolafy Madagasikara eny amin’ny kianjan’Alarobia amin’ity anio ity. Hetsika manokana izy ity, fanavotam-pirenena no iantsoan’ny mpikarakara azy, mifanandrify indrindra amin’ny fihaonana famahana ny krizy politika eto Madagasikara atao any Pretoria renivohitr’i Afrika Atsimo.
 
Tsy azo hampiharina : Tsy hanan-kery ary tsy azo hampiharina izay fifanarahana vita sonian’ny efa-tonta any Pretoria raha tsy mandalo fankatoavana eo anatrehan’ny fahefana mpanao lalàna, na ankatoavina amin’ny alalan’ny didy hitsivolana, hoy i Tsiandopy Jacky Mahafaly, mpikambana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.
 
Mitokona : Mitokona tsy hiasa alina nanomboka omaly ny mpiasa ao amin’ny sampandraharaha teknikan’ny Air Madagascar. Resaka fifanarahana teo amin’ny Tale jeneralin’ity kaompaniam-pitaterana anabakabaka malagasy ity sy ny mpiasa ao amin’ny, efa vita sonia no fototry ny olana. Miandry ny fampiharana azy io ny mpiasa. Na izany aza dia nanambara izy ireo hiantoka ny asa amin’ny fandehanana sy izay fiverenan’ny delegasiona malagasy hidinika any Pretoria.
 
Tsy ampy fanentanana : Zara raha nisy mpiatrika sy mpanao ny fanaovam-baksiny sy ny fizarana vitamina A ary ny fihinanana ody kankana ny andro voalohany amin’ny Herinandron’ny reny sy ny zaza (SSME) tao Ranomafana sy Brickaville. Ny tontolo andro dia zara raha nisy reny sy zaza fito no tonga nihinana vitamina A tao Brickaville raha roa monja ny tao Ranomafana. Ny fanazavana azo nomen’ireo ekipa manokana misahana izany tao Brickaville sy Ranomafana, dia ny fisian’ny lanonana tany an-toerana sy ny tsy nampiraika ny olona raha tsy amin’ny fotoana farany ary ny tsy fahampian’ny fanentanana no antony nahavitsy sy mety hahavitsy ny reny sy ny zaza hiatrika ity SSME 2010 ity.
 
Sakoroka : Tovolahy iray avy any Antalaha mpianatra taona voalohany sampana fizika ao amin’ny oniversite Antsiranana no naratra mafy ary tsaboina ao amin’ny hopitalibe taorian’ny sakoroka teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpianatra raha nidina an-dalambe ireto farany noho ny resaka vatsim-pianarana tsy mbola voaray. Ny alatsinainy dia zanday iray no naratra ary mpianatra iray no natao fanadihadiana. Niditra an-tsehatra nanelanelana ny Faritra sy ny mpitantana ao amin’ny oniversite nandravona ny raharaha, ka dia hozaraina tsy ho ela ny vatsim-pianarana rehefa hita ny fanampim-bola.
 
Radio : Mitombo iray ireo radio tsy miankina miasa ao Tolagnaro. Mitsangana ny radio ACTU (Action Chrétienne pour Tendre l’Union), onjam-peo izay hanome lanja ny fanaparihana ny filazantsara. Anatin’ny andrana teknika tanteraka ny radio ankehitriny, re amin’ny mari-drefy FM 94. Mandre azy ny 25 km manodidina ny foibeny.
 
Fanonganam-panjakana : Niakatra fampanoavana omaly ireo olona voarohirohy tamin’ny resaka fanonganam-panjakana ka voasambotra ny alahady 18 aprily 2010 teny Ambohijanaka.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT