Ariary : Nihen-danja ny ariary raha oharina amin’ny euro efa ho herinandro izao. 2 788 ar izao ny euro iray raha toa ka 2763 izany teo aloha.
Devizy tratra : Devizy 276 905 euros no sarona teny Ivato ny sabotsy teo ka teratany sinoa mianaka no nitondra azy. Nikasa ny hiondrana any Bangkok ireto sinoa ireto niaraka tamin'ireo vola be ireo. Ny polisy misahana ny fiarovana ny sisintany na ny Paf no nahatratra azy ireo. Niaiky moa ireto sinoa ireto fa saika hoentina tsy misy taratasy mankany ivelany ireto vola ireto. Tamin'ny 9 ora maraina moa no nahatrarana ireto sinoa ireto.
Fitsapana : Ho mafy ny asa miandry ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana raha toa ka tafiakatra ambony ny tahan’ny tsy fandraisana anjara amin’ny 17 novambra, hoy Atoa Paul Rabary manampahaizana momba ny fiarahamonina. Fitsapana goavana ho an’ny Fat io daty io, araka ny nambarany.
Tsong :Olona maro no nitsena ny vatana mangatsiakan’i Tsong tany Antsirabe ny sabotsy teo. Olona tsy nisy olana teo amin'ny fiarahamonina nisy azy tany an-toerana i Tsong. Tonga maro avy any Antsirabe ireo havany raha vao nandre fa maty izy. « Tsy fantatray izay zava-nisy taty an-drenivohita fa ny tany aminay dia tovolahy nahay nandray ny teo amin'ny manodidina azy i Tsong. Na io anarany io aza taty an-drenivohitra no nahazoany an'io », hoy ireo havany. Mikasika ny famonoan'ny Fis azy kosa dia voalaza fa « efa jiolahy raindahiny
nokarohina izy ary gadra nitsoaka ny fonja ». Asa izay afaka hanamarina izany satria izy voakasika efa maty
560 : Fitarainana miisa 560 no voarain’ny ministeran’ny asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy momba ny asa any Liban. Mbola manjavozavo ihany anefa ny momba ity raharaha ity satria maro ny zava-miafina amin’ny tena mitranga marina any Liban.
Savoritaka : Tsy ny ao anatin’ny tsena mora ihany no mikorontana sy misavorovoro fa ny ety ivelany sy ny manodidina azy ihany koa. Eo aloha ireo miady filaharana, fa misy koa ny mpanao sinto-mahery. Ny sabotsy maraina dia niteraka fitohanan’ny fiara ny fivagongon’ny olona teo amin’ny tsena mora, hatrety amin’ny arabe mantsy no nitaran’ny filaharana, ary tsy mba nisy akory ny mpandamina.
Hitohy : Tsy mbola nisy mihitsy hatramin’izao ny fifampiresahana teo amin’ireo mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Seces sy ny fitondrana tetezamita. Azo eritreretina araka izany fa mety mbola hitohy amin’ity herinandro ity ny fitokonana.
Grevy vaovao : Mamofompofona fitokonana indray ny tontolon’ny fitsaboana amin’izao fotoana. Ny dokotera mpitsabo indray moa no mety hiroso amin’izany.
Foanana : Mitombo isa ihany amin’izao fotoana ireo vondron’olona mangataka ny hanafoanana ilay "état 211 bis" ao anatin’ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana. Nisy mihitsy aza ireo kandida ben’ny tanàna no nangataka ny hanalana izany satria araka ny nambaran’izy ireo dia karazana tetika hanilihana olona izy io.
Kandida : Mety ho anisan’ireo ho kandida amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo renivohitra Atoa isany Jaobarison Andrianavony tompon’ny Media Consulting sy Fredy Andriambelo, filoha tale jeneralin’ny Groupe Matv. Fantatra fa maro no mitaky ny hilatsahan’izy mirahalahy ireo.
Tsy mahay : Tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny 50%-n’ny mponina any amin’ny faritra androy, araka ny fanambaran’ny fikambanana Malagasy Mahomby.
Nangonin’i RTT sy Fa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.