Ariary
Hitohy ny fihenan-danjan’ny vola Malagasy amin’ny taona 2016. Hahatratra 3.566 ariary mantsy ny dolara iray amin’ny taona ho avy raha sandaina 3.390 ariary izany amin’ity faran’ny taona 2015 ity, araka ny vinavina.
BAD
Hanome vola 90 miliara ariary hamatsiana ny tetikasa “jeune entreprise rurale” ny banky afrikanina momba ny fampandrosoana, hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ho fanohanana ny fambolena eto amintsika. Hahazo fanampiana amin’io ireo orinasa madinika sy salantsalany miasa any ambanivohitra. Laharampahamehana ny faritra Bongolava sy Amoron’i Mania amin’ity tetikasa ity.
Harikarena
Vinavinaina ho 4,5% ny tahan’ny harikarena Malagasy hoan’ny taona 2016. Hampisongadina io vokatra io ny fahasalaman’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ary tontolon’ny fotodrafitrasa sy ny asa vaventy.
Rano fisotro madio
Tsy misitraka rano fisotro madio ny mponina maherin’ny 24,7% eto Madagasikara. Mahatratra 77,4% io salan’isa io ho an’ireo mipetraka an-tanàn-dehibe raha 17,7% kosa ho an’ny tantsaha monina eny ambanivohitra.
Antenimieram-pirenena
Hitsangana tsy ho ela eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny kaomisionina manokana hijery akaiky ny resaka andramena. Aorian’ny 24 novambra kosa vao handinika ireo volavolan-dalàna samihafa toy ny fanitsiana ny tetibola 2015 na ny fankatoavana ny tetibola 2016 ireo solombavambahoakan’i Madagasikara.
Toetr’andro
Ho maina ny andro manerana ny nosy amin’ity herinandro ity, araka ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro. Handrahona ny eto Antananarivo saingy tsy hahavanona orana. Hisy orana manify kosa ho an’ny faritra atsimotsimo. Handrafitra ny toetr’andro any Ambanja sy ny ilany avaratr’i Sofia ny tandrifin-drahona mety harahin-kotroka. Hiakatra kely ihany koa amin’ity herinandro ity ny maripana namirifiry tamin'ny faran'ny herinandro teo.
BFV
Nanana fahasahiranana ny mpaka vola tao amin’ny BFV Antaninarenina omaly maraina ka nimenomenona. Rehefa nanontaniana ny tompon’andraikitra dia nambarany fa vokatry ny fahasamponana teknika noho ny tsy fisian’ny “reseau”. Naharitraritra ihany ny fiandrasana.
Bekitro Bekily
Notafihana andian-jiolahy miisa valo ny fiarabe mpitondra olona mitety tsena tamin’ny zoma 6 novambra teo tamin’ny 7ora hariva tany amin’ny fokontany Bekitro, distrikan’i Bekily. Nitifitra ny mpanafika ary tafatsoaka ny mpamily ka dia nanampatra ny mpandeha tratrany tao izy ireo. Lasany avokoa ny vola sy ny entana sarobidy ary firavaka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.