Actualités

Tapatapany


  • Zoma 30 Oktobra 2015

Doing Business 2016 Nivoaka ny “Doing Business 2016”. Nisondrotra toerana roa ny laharan’i Madagasikara mihoatra ny tamin’ny taona 2015, araka ity tatitry ny Banky iraisampirenena ity. Firenena faha-164 amin’ny 189 isika eto Madagasikara eo amin’ny resaka kalitao sy ny fivoaran’ny fandraharahana manerantany.

 



Père Pedro Opeka

Nisalotra ny loka “Spirit of Service Award” avy amin’ny oniversite amerikanina Saint John ny mpanorina ny fikambanana Akamaso Père Pedro Opeka. Natokana ho an’ireo olona miavaka eo amin’ny sehatry ny asa soa io loka mampisongadina an’i Saint Vincent de Paul izay hijoroan’ity anjerimanontolo ity.

Mpianatra any Sina

 Hivaha tsy ho ela ny famatsiam-bola vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra Malagasy any Sina, hoy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana siantifika.

Antenimieram-pirenena

Efa fantatra ankehitriny ny fifanatrehana eo amin’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Ny zoma 6 novambra 2015 no hanatanterahana izany.

Fanabeazana

Hanatontosa fihaonambe nasionaly momba ny Fanabeazana ny firaisamonimpirenena mpisehatra eo amin’ity tontolo ity ny 3 sy 4 novambra 2015. Hisongadina amin’izany ny fiatrehan’ny firenena Malagasy ilay antsoina hoe “Agenda post-2015”.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT