Boaderozy
4,2 tapitrisa dolara no natolotry ny Amerikana hanohizana ny fanisana ny boaderozy eto amintsika.30 000 hatreto ny bolabola fantatra fa misy, faritra 11 no hanaovana ny asa fanisana mba hifehezana ity sehatra ity.Ho avy avy eo ny famoahana tolo-bidy iraisam-pirenena hamarotana ny hazo.Nidina ifotony nijery ny zava-misy tany amin’ny faritr’i diana sy Sava ny minisitry ny tontolo iainana.
Orana artifisialy
Miomana handrotsaka orana artifisialy eto amin’ny lemak’Antananarivo ny foiben’ny famantarana ny toetr’andro. Natao izany ho fisorohana ny fahamainan’ny andro miaraka amin’ny fahatevenan’ny setroka mandrakotra ny rahona eto an-drenivohita.
Pesta
Manome vahana ireo karazana aretina toy ny pesta ny firongatry ny doro tanety. Mitsoaka any an-tsaha mantsy ireo voalavo ka mifindra lasy eny an-tanàna. Nahatratra 14 moa ireo olona efa matin’ity aretina ity hatramin’ny volana aogositra, araka ny tarehimarika avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana.
FFM
Dosie fangatahana fanonerana 850 no voarain’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy hatramin’ny krizy 2002. Tsy mbola misy anefa hatreto ny vola narotsaky ny fanjakana Malagasy sy ny finakaviambe iraisampirenena. Tokony hiditra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2016 anefa izany, araka ny fanazavana.
Entana andavanandro
Niakatra tao anatin’ny andro vitsivitsy izay ny vidin’ireo entana ilaina andavanandro. Voakasik’izany ny vary sy ny arina fandrehitra. Anton’ny fiakarana ny fanombohan’ny vanim-potoanan’ny orana, hoy ny mpivarotra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.