Actualités

Tapatapany


  • Alarobia 02 Septambra 2015

ODR Tapaka nanomboka tamin’ny volana janoary 2015 ny famatsiam-bolan’ny «Observatoire Du Riz». Nikatso niaraka tamin’ny fahatapahan’io famatsiam-bola io ihany koa ny fanaraha-maso ny vidim-bary eny an-tsena, hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ity vovonana ity.

 



Vidin-tsolika 

 Nidina 40 dolara ny vidin’ny barila iray amin’ny solika amin’izao fotoana izao raha 44 dolara izany teo aloha. Afaka roa volana kosa vao hisy akony amin’ny vidin-tsolika eto amintsika io fidinana io, hoy ny avy ao amin’ny ofisy Malagasy misahana ny solika. Fe-potoana handaniana ireo ambim-bava miaraka amin’ny faharetan’ny fotoana fanafarana vokatra avy any ivelany io 60 andro io, hoy ihany ny OMH.

Antenimieram-pirenena 

 Hotanterahana afaka roa herinandro farafahatarany ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimieram-pirenena. Efa tratra mantsy ny isan’ireo solombavambahoaka maro an’isa manohana ny fitondrana ka azo hirosoana amin’izay ny fandaniana ireo volavolan-dalàna toy ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2015.

Mpahay toekarena 

 Tsy fotoanan’ny fitrosam-bola avy amin’ireo mpamatsy vola an’i Madagasikara izao, hoy ireo mpahay toekarena. Hampitotongana tanteraka ny toekarena Malagasy ny firosoana amin’izany ankehitriny, hoy izy ireo. Afaka manarina ny lafiny ekonomika rahateo isika, araka ny fanamarihan’izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT