Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 28 Aogositra 2015

Paramed Hanatanteraka Kongresy nasionaly any Antsohihy ny fianakaviamben’ny Paramed eto Madagasikara ny 31 aogositra ka hatramin’ny 4 septambra 2015. Andiany faha-11 io, sady hamaranana ny fankalazan’izy ireo ny faha-10 taona nijoroan’ny fikambanana sy ny faha-5 taonan’ny sendika.


 

Kolikoly
Hatolotra ny Chaine pénale anti-corruption anio, ny Tale jeneralin’ny Jirama sy mpikambana taloha tao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama, mba hotsaraina noho izy ireo voarohirohy amina raharaha kolikoly sy fanodinkodinana vola amina miliara tao anivon’ity orinasam-panjakana ity. Ny Bianco no nandray an-tanana ny fanadihadiana azy ireo.

SECES
Hanatanteraka Filankevitra nasionaly tsy ara-potoana ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolo anio tontolo andro, eny amin’ny Centre Mariazy Mirindra Ambohipo. Hisy fanambarana hataon’izy ireo aorian’ny dinika sy fikaonan-dohan’izy ireo.

Ankazoabo Atsimo
Nafindra ao amin’ny Toby miaramilan’ny Holafy faha-515 ireo miaramila naratra nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo ny alarobia teo, ao no manohy ny fitsaboana ho fiarovana ny ain’izy ireo.

Fanambaram-pananana
Minisitra roa sy depiote telo no tonga nanao fanambaram-pananana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana hatramin’ny fiandohan’ity volana ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT