Anosipatrana Trano iray fanefenana basy vita gasy no saron’ny polisy ny faran’ny herinandro teo. Basy poleta dimy vao avy namboarina, miampy basy lava tena izy iray ary bala an-jatony no sarona tao
. Olona miisa enina no nosamborina. Efa mpamerin-keloka ny lehilahy iray tamin’ireo. Ramatoa vadiny no mpivarotra ny basy vita.
Fianarantsoa
Navoakan’ny SADIR-Fianarantsoa ny zoma teo ny voka-pifidianana kaominaly feno vonjimaika avy amin’ny faritra Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Vatovavy Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Ho an’i Fianarantsoa I dia HVM nahazo isam-bato 10 122 (36,82%), ny TIM 3702 (13,47%), ny MAPAR 9 826 (35,74%), ny Tambatra 3435 (12,49%) ary ny Arema 408 (1,48%).
Vidim-bary
Nisy fihenany ny vidim-bary eny an-tsena. Lasa 1400Ar ny kilaon’ny makalioka fividy 1700Ar teo aloha, ary 1350Ar ny kilaon’ny vary gasy fividy 1500Ar teo aloha. Miisa 30 ny mpandraharaha matihanina mpanafatra vary eto Madagasikara. 500.000 taonina ny vary nohafarana tamin’ny 2013.
SECES
Hanatanteraka filankevitra nasionaly ny sendika SECES ny 25 sy 26 aogositra 2015, hanapaka ny tohin’ny tolona ataon’izy ireo. Tsy hanelingelina ny fanatanterahana ny fanadinana bakalôrea hanomboka anio ny SECES fa mitsodrano ny mpiadina hahavita soa aman-tsara ny fanadinana aza.
Ivato
Mpandeha miisa 34 tokony hihazo an’i Moroni no nihitsoka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato nanomboka tamin’ny alarobia 12 aogositra ary tsy lasa raha tsy ny sabotsy 15 aogositra noho ny fikorontanan’ny zotran’ny kaompania Air Madagascar.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.