Didier Ratsiraka Nilatsaka ny baiko fa tsy nalefa tamin’ny TVM sy RNM ny fandaharana manokana fanolorana ny boky momba azy sy nanaovany fanehoan-kevitra momba ny tantaram-pirenena sy ny raharaham-pirenena halina na dia efa nanaovana dokambarotra aza.
Itasy
Ho rakotry ny teknôlôjia TNT ny Faritra Itasy, hoy ny minisitry ny serasera Andrianjato Vonison raha nandray ny sasany tamin’ireo kandida Ben’ny tanàna mitarika vonjimaika raha ny vokatra navoakan’ny CENI-T avy amin’iny Faritra iny omaly.
Moramanga
10 taona an-tranomaizina no sazy miandry ny mpanapaka andramena, 25 ho an’ny mpaniraka, hoy ny praiminisitra Ravelonarivo Jean omaly. Tsy misy fampakarana azo atao ary tsy mahazo fahafahana vonjimaika.
Antanimora
Hatao fonja maodely eto Madagasikara Antanimora. Misy fanamby enina ahafahana manatanteraka izany, hoy Rakotonandrianina Olivier tomponandraikitra vaovaon’ny fandraharahana ny fonja.
Moramanga
Nampanantena ny praiminisitra fa hohavaozina ny tranoben’ny tanora, ny tsena sy ny kianja monisipaly. Efa vonona ihany koa ny famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Banky Afrikanina hanamboarana ny RN44.
Toamasina
Ny zoma 14 aogositra no hamoaka ny voka-pifidianana kaominaly feno vonjimaika ny SADIR Faritany Toamasina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.