Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 12 Aogositra 2015

Ankadimbahoaka Nitohana ny fifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faha-7mihazo an’Ankadimbahoaka iny sy ny Fasan’ny Karana


 mipaka hatreny Anosizato amin’ny lalam-pirenena voalohany iny omaly tolakandro, vokatry ny hamaroan’ny mpandeha hamonjy fiara eny amin’ny toby fiantsonana Fasan’ny Karana.

Mandritsara
Mpifoka rongony dimy lahy sy rangahy mpamatsy azy ireo no indray saron’ny polisy nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo.
Notanana am-ponja vonjimaika izy ireo taorian’ny famotorana azy.

Antsohihy
Dahalo enin-dahy sy omby fito saika hamidin’izy ireo tao Antsohihy no sarona nandritra ny fisavana taratasin’omby nataon’ny zandary. Omby nangalarina avy any amin’ny Distrikan’i Mandritsara izy ireo.

Ambanja
Nahazo fiara mpandraoka fako ny Kaominina ambonivohitra Ambanja. Mahazaka 2,5 taonina isaky ny mitaona ilay fiara. Tafakatra15 taonina isan’andro ny fako ao an-tanàna rehefa fahavaratra sy fiakaran’ny vokatra.

Antsalova
Omby arivo mahery very, olona folo eo no namoy ny ainy tao anatin’ny iray volana vokatry ny fifandonana tamin’ny dahalo. Nisy zandary, Fokonolona ary tompon’omby tamin’ireo, hoy ny depioten’Antsalova, Ramarolahy Maurice.

Moramanga
Mampiantrano ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora ny tanànan’i Moramanga. Telo andro nanomboka ny alatsinainy teo ny fankalazana, ary hifarana anio.

Sakaraha
Mirongatra ny asan-dahalo any Sakaraha. Ireo dahalo avy any Ankazoabo Atsimo no manafika tonga any amin’ny Distrikan’i Sakaraha.

Finoana
Hofaranana ny sabotsy sy alahady izao ny famaranana ny fankalazana ny faha-200 taona nahaterahan’i Masindahy Don Bosco eo anivon’ny Fiangonana katolika.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT