Actualités

Tapatapany


  • Alatsinainy 04 Mey 2015

Antenimieram-pirenena Namory mpanao gazety ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena ny sabotsy teo milaza fa manohitra ny fandravana ny andrim-panjakana nivohitra tamin’ny fehin-kevitry ny mpizaika tamin’ny fihaonambem-pirenena momba ny fampihavanana notarihin’ny Ffkm natao teny amin’ny CCI Ivato.


 

AMIT 

 Nitombo ny isan’ireo mpiasa tratran’ny fiakaran’ny tosidra, araka ny fanamarihan’ny «Association médicale Interentreprises de Tananarive». Antony iray mahatonga azy io eo amin’ny tontolon’ny asa ny teritery, hoy ny AMIT.

Fampandrosoana maharitra 

 Notanterahana teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny 29 sy 30 aprily teo ny atrikasam-paritra momba ny fampandrosoana maharitra. Lohahevitry ny fihaonana ny «Vina Antananarivo 2015 : fandraisan’anjara mavitriky ny tanora ho an’ny fampandrosoana maharitra ny tanàna». Tafiditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ny fandaharanasa «Inspired Generations» ao anatin’ny tetikasa «Islands» an’ny vaomieran’ny ranomasina Indianina ary vatsian’ny Vondrona eoropeanina izany.

Tetibolam-panjakana 

 Nahazo fanampiana tetibolam-panjakana 45 tapitrisa dolara ho an’ny taona 2015-2016 avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ny fanjakana Malagasy. Io ny vokatry ny fihaonamben’ny Banky sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena natrehan’ny solontena Malagasy tany Washington ny 12 hatramin’ny 15 aprily teo.

FSAM 

 Hanamarika ny herinandro manerantanin’ny fisorohana ny fifamoivoizana ny 4 hatramin’ny 9 mey ireo hetsika maro samihafa. Hanentana eny anivon’ireo sekoly eto an-drenivohitra ny Federasion’ny fanatanjahantenan’ny fiarakodia eto Madagasikara na FSAM izay tohanan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny Fanabeazam-pirenena.

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT