Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 11 Aogositra 2010


Fifidianana : Nifanaraka ny mpidinika politika eny Ivato fa dia hotanterahina ny 04 mey 2011 ny fifidianana solombavambahoaka eto Madagasikara. Ny fifidianana depiote izany no mandeha aloha ary aorian’ny fanamarihana ny fetim-pirenena sady aorian’ny fahavitan’ny fanadinam-panjakana rehetra vao hatao ny fifidianana filoham-pirenena. 

Nihaona : Nihaona tamin’ny masoivoho frantsay Jean-Marc Châtaigner sy masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina miasa sy monina eto Madagasikara ny delegasiona avy amin’ny “Sehatra ifanakalozan’ny antoko politika” nahitana an-dRoland Ratsiraka (MTS), Raharinaivo Andrianatoandro (Parlemantera), Hery Rakotobe (Grad Iloafo) ary Pr Alain Teandrazanarivelo. Anisan’ny lahadinika ny raharaham-pirenena ankapobeny sy ny famahana ny krizy.
 
Mifanojo : Mifanojo amin’ny vinavinan’ny Raimandreny Mijoro sy ny Coalition des organisations de la société civile ny tetiandro nofaritan’ny mpanao politika ao amin’ny Sehatra ifanakalozan’ny antoko politika sy ny UDR-Fanovanana midinika eny amin’ny CCI Ivato hanaovana ny fikaonandoham-pirenena amin’ny faran’ny volana aogositra. Na izany aza dia nilaza ny pastera Ramino Paul fa hodinihina mandritra izany ireo hevitra nivoitra nandritra ny Dinika Santatra ary dia hisy solontena folo isaky ny distrika ho avy amin’izany.
 
Volambetohaka 2010 : Ny 19 Aogositra ho avy io no hosokafana amim-pomba ofisialy ao an-drenivohitry ny Faritra Amoron’i Mania ary haharitra hefarana ilay hetsika ara-kolontsaina Volambetohaka 2010. Ankoatra ny fampahafantarana ireo kolontsaina mampiavaka ity Faritra ity dia hisy ihany koa ny fizarana traikefa amin’ireo delegasiona avy amin’ny faritra 22 izay hanana solontena 20 avy.
 
Halatra solika : Mirongatra ny halatra gazoala any Fenoarivo Atsinanana. Manao andiany izy ireo ary sahy mitroka ny gazoala ao anatin’ireo fiara sendra mijanona mihitsy araka ny vaovao voaray. Efa nisy ny fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra mikasika izany.
 
Voka-panadinana : Nivoaka omaly ny voka-panadinana hidirana ao amin’ny taona fahenina sy fahafolo na ny 6ème sy ny seconde ho an’ny distrikan’i Fenoarivobe. Nahatratra 183 ny isan’ireo mpiadina tafiditra ao amin’ny taona fahafolo ho an’ny Lycée Fenoarivobe raha 290 kosa ireo afaka soa aman-tsara tamin’ny fifaninanana hidirana ao amin’ny taona fahenina.
 
Mpiasam-panjakana : Tanterahina any Farafangana mandritra ny dimy andro ilay atrikasa entina hanamaivanana ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ireo mpiasam-panjakana any an-toerana. Afaka rahampitso zoma izany vao hifarana amim-pomba ofisialy arahin’ny fampahafantarana ny rehetra ny fomba hidirana ho mpiasam-panjakana.
 
Miofana : Omena fiofanana ireo lehiben’ny fokontany rehetra any amin’ny distrikan’i Mandoto. Ny hananan’izy ireo traikefa hoenti-miady amin’ny valala no anton’izany. Araka ny fantatra mantsy dia tsy nahenika faritra iray akory ny fanafody voarain’ity distrika ity na dia efa miparitaka eran’ny tanàna aza ny valala.
 
Sarona : Sarona ny alatsinainy teo tany Mandoto ireo olona mpirahalahy iraitampo namono nahafaty ilay Ramatoa niasa teny an-tsaha tao amin’ny kaominina Antanety Atsimo, iray volana lasa izay. Vadin’io Ramatoa namoy ny ainy io taloha ihany ny iray tamin’ireo namono azy ireo, araka ny vaovao voaray. Omaly izy ireo no natolotra ny fitsarana taorian’ny hetsika nataon’ny mpitandro ny filaminana. Tsiahivina fa famaky sy angady no nampiasain’izy roalahy ireto namonoana ity Ramatoa ity.
 
Fikambanan’ny sembana : Tafatsangana any amin’ny distrikan’Ambilobe afak’omaly ny fikambanan’ny sembana na ny CDPH. Antom-pijoroany ny hanohana sy hanampy ireo sembana any an-toerana. Hisy ny hetsika fitadiavam-bola hokarakarain’ny fikambanana ato ho ato hahafahany manatevina ny fidiram-bolany.
 
Zaikakely : Tontosa soa aman-tsara tany Betanantanana, Faritra Melaky ilay zaikakely notontosain’ireo fikambanam-behivavy Loterana avy amin’ny fileovana Betanantanana. Andiany fahenina ity notontosaina ity, nahitana mpizaika be indrindra. Nahatratra 121 isa ireo avy amin’ny fileovana hafa ankoatra ireo mpikambana nampiantrano. Ny tenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny filipiana 4 : 4 no teny faneva nahofahofa nandritra izany.
 
Foara : Hisokatra anio ao amin’ny Lapan’ny kolontasaina Mahamasina ny “La Grande Foire de Tanà” andiany voalohany, karakain’ny Fikambanana Mandray Anjara amin’ny Fampandrosoana an’i Madagasikara (FIMAFM). Tranoheva miisa 250 no miandry ny mpitsidika eny an-toerana mandritra ny hadimiana haharetan’ity hetsika ara-barotra ity.
 
Namono tena : Tovolahy voafonja iray, 28 taona no namono tena noho ny famindran-toerana tsy maintsy natao taminy ny alahady hariva lasa teo tany Seysses any Toulouse. Omaly talata vao nanambara ny fahafatesan’io tovolahy io ny tompon’andraikitry ny fonja saingy tsy nilaza mazava izay antony kosa.
 
Lalana mihazo ankadivoribe : Raha efa saika tsy azon’ny fiara naleha intsony ny lalana mihazo an’Ankdivoribe mankany antanetikely, distrikan’Atsmondrano iny teo aloha dia efa voaravina izy izao ka afaka mizotra soa aman-tsara ny fiara. Manomboka eny Vahalava ny fanamboarana hatrany Antanetikely. Ny antoko maitso hasin’i Madagasikara no vy nahitana ny fotodrafitrasa. Mety hiafara amin’ny fanaovana tara ny lalana izany, araka ny tsiliantsofina. Rehefa fahavaratra, kaohan’ny rano ny lalana ary lasa kilavadavaka.
 
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT