Otrikafo : Tompon’andraikitra amin’izao fahoriana sy fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka izao ireo antoko politika 55 mitambatra araka ny fahitan’ny antoko politika Otrikafo, izay nihaona tamin’ny mpanao gazety ny zoma lasa teo. Nambaran-dRajaonah Andrianjaka, filohan’ity antoko ity fa efa samy tao anaty fitondrana avokoa izy ireo hatramin’izay ka tsy hahavaha velively ny krizy izay mianjady amin’ny firenena ankehitriny.
Nadiodio : Sahirana sy very entana avokoa ireo mpivarotra sendra ireo polisin’ny tsena teo Analakely ny sabotsy hariva lasa teo. Am-polony ireo very entana tamin’ny sobika. Nandalo tamin’ny ora tsy fandalovany mantsy ireo polisin’ny tsena. Tsy vitan’izay fa nitondra mazda miloko manga ihany koa izy namatrarany ireo entana noraofin’izy ireo. Feno tanteraka ilay mazda vokatr’izany vao niala teny Analakely ry zareo.
Tsy mety vita : Velon-taraina noho ny tsy fisian’ny toerana hahafahany mivarotra am-pilaminana sy ara-dalàna ireo mpivarotra amoron-dalana eto an-drenivohitra. Ilay tsena vaovao misy rihina etsy amin’ny Petite Vitesse Isotry no tena nandrandrain’izy ireo araka ny fanadihadiana natao saingy tsy mbola misokatra ihany hatramin’izao. Talohan’ny fetin’ny 26 jona nefa raha tsiahivina no fe-potoana nolazain’ny tomponandraikitra fa hisokafan’ io tsena io saingy izao hiaraha-mahita izao ny zava-misy. Toa mbola misy hamboarina hatrany ny fotodrafitrasa. Tsy mety vita.
Nifamono : Mpamily Taxi-be 172 iray sy resevera taxibe 187 samy manao ny zotra mampitohy an’Andoharanofotsy amin’ny 67 ha no nifamono teny am-pandehanana omaly alahady tetsy Ankadimbahoaka. Niezaka ny nijanona teo afovoan’ny arabe ny iray tamin’ny fotoana nitrangan’ny ady ka voatery nijanona koa ny iray. Lonilony noho fiadivana mpandeha, araka ny fantatra, no nahatonga azy ireo nifandramatra toy izao.
“Sport scolaire” : Nosokafana tamim-pomba ofisialy tany Bealanana ny sabotsy 07 aogositra lasa teo ilay fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly handraisan’ireo mpianatra avy amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, manerana ny faritra Sofia. Hifarana ny alakamisy 12 aogositra ho avy io izany.
Hijery : Hijery akaiky ireo mpampianatra sy mpandraharaha eny anivon’ny faritra manomboka izao ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fanafainganana ny fikarakarana ny antontan-taratasin’izy ireo ao anatin’ilay fomba fiasa : «Système Intégré de Croissance».
100% : Nifarana ny sabotsy lasa teo ny taom-pianarana 2009-2010 ho an’ny sekoly katolika Saint François Xavier etsy Antanimena. Varavarana misokatra no nisantarana izany izay nanambaran’ny talen-tsekoly tamim-pomba ofisialy tamin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny nahazoan’ity sekoly ity 100% tamin’ny voka-panadinana BEPC farany teo. Fizarana biletà no namaranana ny fotoana.
Miavaka : Azo lazaina ho miavaka ny mponina ao amin’ny kaominina Ambohidratrimo raha ny tahan’ny fandoavan-ketra amin’izao vanim-potoanan’ny krizy izao no resahina. Tafakatra hatrany 80% mantsy ireo tonga manefa ny adidiny araka ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna Rajaonasolo Clovis Arthur. Eo an-daniny anefa tsy nanao fanentanana manokana izy ireo saingy ny mampiavaka azy kosa dia ny fampihenana ho roa ka hatramin’ny dimy isan-jato ny hetra tokony haloan’ny tsirairay. Voakasik’izany avokoa na ny hetran-trano na ny hetran-tany.
Manahy : Manahy mafy ny amin’ny mety hisian’ny setroka misy poizina hiely any amin’ny faritra misy azy ny mponina any Frantsa. Noho ny fihanak’ireo setroka vokatry ny doro tanety mateti-piavy avy any Rosia no mahatonga izany. Efa maromaro noho izany ny ao Frantsa no miaro tena amin’ity resaka setroka ity
Am-polony no maty : Am-polony no maty, an’anarivony no tsy manan-kialofana. Io no vokatr’ilay hafanana be loatra nianjady tamin’ny mponina tao Moscou, renivohitr’i Rosia tamin’ny sabotsy. Nihoatra ny 36 °C ny hafanana niainan’ny mponina tamin’io afak’omaly io izay marihina fa mihamahery vaika hatrany hatramin’ny nampirongatra ny doro tanety tany an-toerana. 52 araka ny vaovao voaray no isan’ireo efa namoy ny ainy hatramin’ny nisian’ity doro tanety ity. Tonga nanolotra fanampiana ho an’ireo tsy manan-kialofana omaly alahady ny praiministra Vladmir Poutine. Lelavola 2 tapitrisa rouble no natolony tamin’izany.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.