Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 06 Aogositra 2010


Sekoly ambony : Namoaka ny andiany misalotra ny anarana Fanamby ny sekoly ambony ISCAM etsy Tsiazotafo. Miisa 183 mianadahy izy ireo ka ny 36 amin’ireo no nahazo ny mari-pahaizana “Masters” raha nahazo ny “Licence” ny ambiny. 

Fanomezan-dra : Mbola vitsy dia vitsy ny mpanome ra eny anivon’ny HJRA Anosy. Mbola vao ny 20%-n’ireo mpanome ra an-tsitrapo ihany mantsy no tonga manatona ireo tomponandraikitra eny an-toerana raha havan’ny marary avokoa ny 80%.
 
Fotodrafitrasa : Lalana mirefy 5 km no hasiam-panamboarana amin’ny alalan’ny asa tana-maro any amin’ny kaominina ambanivohitra Belamanja, distrikan’Ambilobe. Vatan-dehilahy 140 isa isan’andro no mandray anjara amin’izany mandritra ny 20 andro. Karamaina 2.000 ar isan’andro isan’olona izy ireo amin’ny alalan’ilay famatsiam-bola Fdl avy amin’ny fitondram-panjakana.
 
Tiberkilaozy : Lehiben’ny fari-piadidiam-pahasalamana miisa enina no tonga manatontosa atrikasa iraisana ao amin’ny distrikan’i Mananjary nanomboka afak”omaly alarobia. Hifarana anio zoma izany izay miompana feno amin’ny rindran-damina entina hamongorana hatramin’ny fakany ny aretina raboka.
 
Fandriampahalemana : Nirongatra tato ho ato ny asan-dahalo tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe faritra Bongolava. Tontosa ny alarobia teo tao amin’ny efitrano malalaky ny distrika ny fivoriana fanao isam-bolana mahakasika izany nandraisan’ireo olom-boafidy sy tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny anjara.
 
Tsy ampy : Tsy ampy ho an’ny tantsaha rehetra araka ny vaovao voaray ny masomboly voafantina sy ny ambioka raha tena mampiasa izany avokoa rehetra. Tsy ampy ihany koa ny teknisianina izay vato misakana lehibe tsy hahafahana mampiroborobo ny sehatry ny fambolena eto amintsika.
 
Karama : Nanomboka omaly alakamisy ny fizarana ny karaman’ireo mpandraharaha eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo. Nirotsaka nanara-maso sy nijery akaiky izany ny filohan’ny Oniversite, Pr Andriantsimavaly Abel. Nifananindry indrindra tamin’ny fitokonana saika hataon’ny mpianatra sy ireo mpandraharaha niaraka raha tsiahivina ity fizarana karama omaly ity.
 
Fifidianana : Ny volana Oktobra ho avy io raha tsy misy ny fiovana indray no hotontosaina ny fifidianana izay ho filoham-pirenena any Côte d’Ivoire raha nahemotra foana hatramin’izaynoho ny tsy fitovian-kevitra misy eo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny disadisa politika. Dimy taona raha tsiahivina no nisian’io fihemorana io noho ny fahatahoran’ny filoha mitondra ankehitriny Laurent Gbagbo ny ho resy.
 
Matotra : Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina ambonivohitra Tolagnaro sy ny orinasa QMM ary ny Nosy rahavavy atsy La Réunion. Hahazo fiara mpamonjy voina ny any an-toerana ka ireto farany no hanome fiofanana ny mpiasa sy hanolotra ny fitaovana. Hiantsorohan’ny Ministeran’ny foloalindahy kosa ny karaman’ny mpiasa raha anjaran’ny kaominina ny fampandehanan-draharaha.
 
Nilamina : Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fizotry ny fifidianana notontosaina tany Kenya mikasika ny fanovana ny lalàmpanorenana ny alarobia. 66,30% tamin’ireo mpifidy tonga nandray anjara no nanao “ENY” araka ny vaovao azo. Tsiahivina fa mbola lalàmpanorenana nekena sy nolaniana tamin’ny taona 1963 no mbola hiainan’ireo mponina any amin’ity firenena ity hatramin’izao.
 
Fanampiana : Zaza valo mianadahy, tokony hodidiana ao amin’ny faritry ny lohany tsaboina eo anivon’ny sampana “Neuro chirurgie infantile” ao amin’ny hopitaly HJRA Anosy no horaisin’ny fikambanana FITIA an-tanana ny fikarakarana azy. Tontosa omaly teny anivon’ity hopitaly ity ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta.
 
Posiposy : Posiposy am-polony miaraka amina moto sy fiara vitsivitsy no voatery nampidirina “fourrière” any amin’ny kaominina ambonivohitra Fenoarivo Atsinanana nanomboka ny alarobia noho ny tsy fanarahan-dalàna nataon’izy ireo. Anisan’izany ny tsy fitondrana aroloha ho an’ny moto raha tsy ara-dalàna kosa ny taratasin’ireo fiara sasany.
 
Mitohana : Tsy misy toerana tsy ahitana fitohanan’ny fiarakodia intsony eto an-drenivohitra, indrindra ny ao Analakely sy Behoririka. Amin’ny fito ora maraina dia efa manomboka izany ary raha somary mitony kely amin’ny folo. Mitohy indray izany amin’ny 11 ora ary tsy mifarana raha tsy amin’ny iray ora folakandro. Tsy lazaina intsony ny eny Besarety eny noho ny asa fanamboarana tsy maintsy hatao amin’ilay tatatra lehibe eo Ambodimanga.
Lozam-pifamoivoizana : Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray teny Ambaniavaratra Andrononobe Ambohitrarahaba eny amin’ny lalam-baovao mipoitra mankeny Analamahitsy iny. Omaly tolakandro tamin’ny 3 ora sy sasany no nitrangan’izany. Mpitondra moto scooter no nofaohana fiara 4x4 miloko manga izay samy avy any Ambohitrarahaba. Niantefa teny amin’ny tamboho teo akaikiny ny lohan’ilay mpitondra moto. Vaky ny lohany sy ny aroloha nanaovany, nisy triatra koa ilay tamboho. Nandriaka ny ra teo amin’ny manodidina. 30 taona ity namoy ny ainy. Manambady aman-janaka. Mpitondra yaourt no asany. Teny an-dalana ho eny amin’ny hopitaly no tsy tana intsony ny ainy. Ilay fiara nandona kosa lasa nitsoaka na dia fa nenjehina aza.
Adin’Akoholahy : Nanomboka omaly alakamisy 5 aogositra ary tsy hifarana raha tsy ny 12 aogositra izao ny fifaninanana tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny adin’akoholahy. Eny amin’ny kianja mitafon’Anosisoa Ambohimanarina no anaovana izany. Akoho folo no nahavita ny adiny tamin’ny fanombohana omaly. Loka maro toy ny scooter, vata fampangatsiahana, vata fahitalavitra… no hozaraina amin’izany.
 
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT