Politikam-pitsitsiana : Politikam-pitsitsiana ho an’ny filohan’ny FAT Andrinirina Rajoelina ny mikasika ny tsy fandoavana ny vatsimpianaran’ny mpianatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga ambony sy ny karaman’ireo mpandraharaha. Eo an-daniny anefa nanambara indray izy nandritra ny filankevitry ny ministra fa hojereny akaiky miaraka amin’ny Praiministra sy ireo ministra tompon’andraikitra ny mikasika izany.
Manohana mafy : Manohana mafy ny amin’ny hanoloana ho Pds ny Ben’ny tanànan’Antsirabe, Ramalason Olga ny mpandrindram-paritry ny Tgv any amin’ny Faritra Vakinankaratra. Araka ny nambaran’ity tompon’andraikitra ity mantsy dia misy ny fifanitsahan’andraikitra eo amin’ny Lehiben’ny Faritra sy ny Ben’ny tanàna izay misy fiantraikany goavana eo amin’ny fampandrosoana ny tanàna.
Faritra mena : Voasokajy ho ao anatin’ny faritra mena ny kaominina Ambohijanahary any amin’ny distrikan’Amparafaravola. Saika ao amin’ity toerana ity avokoa mantsy no handalovan’ireo dahalo avy mangalatra omby, mivoaka mankany Tsaratanana. Hetahetan’ny Ben’ny tanàna any an-toerana noho izany ny hanomezan’ny fanjakana tanana azy ireo mikasika ny fampidirana herinaratra any amin’ity tanàna ity.
Nisokatra ny tsena : Nisokatra ihany ny tsena iraisan’ireo kaominina efatra any Betroka na dia voatery nakatona aza noho ny vono olona nitranga tany an-toerana. Niverina niasa ihany koa ny mpitatitra saingy nametraka fepetra hentitra. Tsy maintsy arahina mpitandro ny filaminana izy ireo rehefa mandeha mivoaka na miditra ny tanàna. Nangataka ny amin’ny tokony handaminana ny asany ihany koa izy ireo ka nofoanana tanteraka ny fandehanan’ny fiara taxi-brousse iray irery toy ny teo aloha.
Lozam-pifamoivoizana : Lehilahy iray sahabo ho 48 taona nitondra moto scooter no namoy ny ainy vokatry ny loza nahazo azy afak’omaly hariva tao Vohipeno tampon-tanàna. Tokony ho tamin’ny 06 sy sasany tany ho any no nitrangan’izany. Nifanena tamina bisikileta nangala-dalana an-kavanana ity rangahy nitondra moto ity ka niaro tena. Na izany aza anefa voa mafy izy ka izao namoy ny ainy izao.
Toerana fitaizana zaza : Toerana fitaizana zaza iray any atsinanan’i Chine no notafihin’olon-tsy fantatra indray ny talata lasa teo. Zaza telo no maty vokatr’izany raha maromaro ihany koa ireo naratra. Voatery hakatona mandritra ny telo volana ity toerana fitaizana zaza ity noho izany. Tsiahivina fa vao iray volana lasa izay no nisy fanafihana trano fitaizana zaza tahaka izao nitranga izao tany Chine.
Mikatso : Mikatso ny fitsarana ny fanadinana BEPC ho an’ny distrikan’Antalaha. Noho ny fitokonan’ireo mpampianatra no mahatonga izany izay marihina fa tsy mbola naharay ny “vacation” taona 2009. Mihitsoka ny famoahana ny voka-panadinana. Etsy an-daniny, lasa nivory any Andapa avokoa ireo lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana any an-toerana.
Ngorongosy : Hafakely ny voka-pikarohana navoakan’ny sekoly ambony iray any Etazonia mikasika ny aretina “rhumatisme” na ngorongosy. Nambaran’ilay mpikaroka mantsy fa maharo tena kokoa amin’ity aretina ity ny olona misotro toaka na mandray alikaola noho ireo tsy mandray mihitsy. Aza adino anefa fa anisan’ny mahagodro lohalika sy manimba ihany koa ny fisotroan-toaka ka ilaina fandanjalanjana.
Nihena 2% : Nihena 2% ny taham-pahafaham-panadinana BEPC ho an’ny Faritra Itasy raha oharina tamin’ny taon-dasa. Noho ny fihenan’ny isan’ireo mpianatra afaka teo anivon’ny Lycée Imerintsiatosika no nahatonga izany araka ny vaovao voaray. Anisan’ny be mponina indrindra mantsy ity tanàna ity raha oharina amin’ny hafa.
Maty main’ny afo : Renim-pianakaviana iray no maty main’ny afo tao an-tranony tany amin’ny kaominina ambanivohitra Andaingo, distrikan’i Moramanga ny fiandohan’ny volana Aogositra lasa teo. Tsy fantatra mazava izay niavian’ny afo araka ny vaovao voaray. Na izany aza anefa niezaka ny fokonolona saingy ora roa taorian’izay vao maty ny afo. Tany ambany rihina no hita ny vatana mangatsiakan’ity Renim-pianakaviana ity.
Vehivavy polisy : Notoloran’ny vadin’ny praiministra Vital lelavola 4 tapitrisa ariary ny fikambanan’ny vehivavy polisy sy ny vadin’ny polisy any amin’ny faritra SAVA sy DIANA. Nandritra ny zaikabe notontosain’ireto farany tany an-toerana afak’omaly talata no nanolorany izany ho fanatevenana ny asa sosialy hiantsorohan’izy ireo.
Hain-trano : Nahitana hain-trano mahatsiravina indray tany amin’ny tanàna antsoina hoe Antanambetsirebaka, fokontany Ambalavelona, distrikan’i Port Berger, omaly. Araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia trano 22 no rava tanteraka ary zazakely iray no may. Lakozia avy nahandroan-tsakafo izay tsy maty no niandohan’ny afo, araka ny vaovao ihany.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.