Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 04 Aogositra 2010


Hanina sisa : Tsy mahita vahaolana amin’ny firongatry ny andiam-balala any amin’ny faritra misy azy intsony ireo tantsaha mpamokatra any amin’ny distrikan’i Mandoto. Kaominina dimy no efa rakotra amin’izao fotoana tao anatin’ny iray volana monja. Ny fitaovana hampiasaina hamonoana ny valala anefa eo an-daniny tsy ampy. Hany herin’izy ireo dia ny misambotra ny valala hatao laoka. Mampanahy ihany anefa izany satria valala efa nihinana poizina ny ankamaroan’izy ireo.

Fiofanana : Niatrika fiofanana nanomboka omaly ireo Sekretera mpitahiry sy mpitantam-bola eo anivon’ireo kaominina ambanivohitra any amin’ny ditsikan’i Fenoarivo Atsinanana. Miompana amin’ny fampahafantarana ny andraikitra sahanin’izy ireo sy ny fitantanam-bola amin’ny ankapobeny ny fiofanana. Hisy ny fanadinana hampanaovina ny mpiofana aorian’ny fiofanana. Arahin’ny fizarana mari-pahaizana ho an’ny mpizaika izany izay marihina fa miantoka feno ny fivoahan’ny volan’ny kaominina avy amin’ny fanjakana.
 
Nilamina : Nizotra tamim-pilaminana tamin’ny ankapobeny ny fanadinam-panjakana CAP (Certificat d’Aptitude Professionnelle) hidirana avy hatrany eo anivon’ireo Lycée technique professionnelle, notontosaina tany amin’ny distrikan’Ambilobe nanomboka ny alatsinainy teo. 44 isa ireo mpiadina tonga niatrika izany, haharitra hadimiana.
 
Fihaonana : Tonga nihaona tamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky any Mananjary ny tetikasa Salohy. Dinikasa narahina fivoriana no notontosainy mandritra izany niaraka tamin’ireo Ong maro samihafa sy ny FER. Nifarana omaly talata ny fihaonana rehefa naharitra roa andro. Ny tanjona moa dia ny fanamafisana ny traikefan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ireo zaza latsaky ny dimy taona sy ny reny mitondra vohoka. Nisy ihany koa ny fanaovana tatitra ny asa vita nandritra izany.
 
Nitontongana : Ratsy araka ny vaovao angom-baovao azo ny voka-panadinana BEPC ho an’ny distrikan’i Maroantsetra. Nitontongana ho 28% ny taham-pahafaham-panadinana. Nihena 10% be izao izany raha oharina tamin’ny taon-dasa. Mikasika ny fanatsarana ny fandriampahalemana kosa dia nahemotra amin’ny herinandro indray ny fihaonan’ny hery velona rehetra amin’ny lehiben’ny faritra.
 
Feno : Feno tanteraka ny voka-panadinana BEPC ho an’ny distrikan’i Manakara. Foibem-panadinana dimy no nanangonana ny vokatra izay nanome salan’isa 51,16%. Tsara ny vokatra raha oharina tamin’ny taon-dasa.
 
Mitsidika : Tonga nitsidika ny distrikan’i Farafangana hatramin’ny alatsinainy lasa teo ny Ministry ny fizahantany sy ny asa tanana Andréas Monique. Foto-diany any an-toerana ny hijery ireo toeram-pitsangatsanganana sy seranam-piaramanidina any an-toerana hahafahana manatsara sy mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany. Fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana no nanohizany ny fandaharam-potoanany omaly.
 
Miralenta : Tontosa soa aman-tsara ny alatsinainy maraina teo tao amin’ny kaominina ambanivohitra Antanandava, distrikan’Antsiranana I ilay dinikasa nentina nametrahana ny drafitra miralenta sy ny ady atao amin’ny herisetra. Ny tanjona moa dia ny hamolavolana drafitra vaovao entina hampiroboroboana ny miralenta sy hamongorana hatramin’ny fakany ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy.
 
Maloto : Maimbo, maloto ny tanàna. Ireo no fimenomenomana re amin’ireo vahiny sendra mandalo ao Analakely, indrindra rehefa vao maraina iny. Saika eny amin’ny sisin-dalana avokoa mantsy no manao maloto ireo mpatory amoron-dalana ankoatra ireo mpandeha alina zatra manao maloto eny rehetra eny.
 
Mbola eo ihany : Mbola eo amoron-dalana manakaiky ny FDC eny amin’ny 67 ha Atsimo ihany hatramin’ny omaly no matory ireo olona 193 mianaka, traboina vokatry ny ady tany nitranga tao Antetezana afovoany I, telo herinandro lasa izay. Eo amoron-dalana izy ireo no mandrehitra afo amin’ny hariva ary mahandro sakafo. Eo ihany koa izy ireo no matory no sady miandry ny entany.
 
Fifandonana : : Olona 45 isa no maty. Ireo no vokatry ny fifandonana tao Karachi - Pakistan. taorian’ny namonoana tompon’andraikitra politika teny an-toerana no nipoahan’izany. Araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana dia olona an-jatony no naratra ary fiara maro no nisy nandoro. Tsiahivina hatrany fa taorian’ny nahafatesan’i Razai Haider, mpikambana ao amin’ny «Mouvement Muttahida Qaumi (MQM)», izay maty nisy nitifitra no nisian’izao fifandonana izao. Raha nanazava ny mpikambana miaraka amin’ny lehilahy dia efa ela ry zareo no nampitandrina mikasika ny fisian’ny «Taliban sy ny SSP, mahery fihetsika» ao Karachi saingy tsy nisy nihaino izy ireo.
 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT