Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 03 Aogositra 2010


BEPC : Nivoaka omaly alatsinainy tamin’ny 12 ora alina ny voka-panadinana BEPC ho an’ny distrikan’i Brickaville. Nahatratra 52 % ny taham-pahafahana. Tsara ny vokatra raha oharina tamin’ny taon-dasa. Tratra ihany koa ny tanjona napetraky ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny amin’ny hamoahana ao anatin’ny fotoana fohy ny voka-panadinana. 

Tetikasa Ankizy Krismasy : Tontosa ny faran’ny herinandro teo nyny fanolorana fitaovam-pianarana sy vatomamy ireo ankizy tsy an-kanavaka 7 ka hatramin’ny 14 taona tany amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra, Faritra Analanjirofo. Ankizy miisa 913 no nahazo tombontsoa tamin’izany tafiditra ao anatin’ilay tetikasa ankizy krismasy. Teo an-tokotanim-piangonana no nanatontosana ny fizarana.
 
Fandriampahalemana : Anio talata 03 aogositra no hotanterahina ao Maroantsetra ilay fivorian-dehibe mikasika ny fandriampahalemana hiarahana amin’ny Ben’ny tanàna sy ny sefo fokontany ary ny kartie mobila. Hisy ny fizarana ny tambin-karaman’ireo tsy nahazo izany mandritra ity andro anio ity arahin’ny fanomanana ny fitsidihana izay hotontosain’ny lehiben’ny faritra Analanjirofo any an-toerana afaka rahampitso alakamisy. Anjaran’ireo mpanao hotely sy mpitantana trano fandihizana ary trano fisotroana ny fanatrehana izany manomboka amin’ny 03 ora mba tsy hisy ho tompon-trano mihono na dia iray aza.
 
Herinaratra : Tonga ny faran’ny herinandro teo teny anivon’ny tokantrano tsirairay avy ao an-drenivohitr’i Maroantsetra ny jiro vokarina avy amin’ny riandrano. Mbola andrana ihany anefa io natao io, tafiditra ao anatin’ny asa fanamboarana ny “sous station” karakarain’ny tompon’andraikitra. Ela niandrasana izany ny any an-toerana. Tamin’ny taona 2002 mantsy no nisy ny fikasana voalohany hampiditra jiro tao amin’ity tanàna ity. Nitohy ny taona 2008 izany ka tamin’ny taon-dasa vao noraisina an-tanana ny fikarakarana.
 
Milamina : Azo lazaina ho milamina amin’ny ankapobeny ny fandriampahalemana ho an’ny kaominina sady distrikan’Ambohidratrimo. Tsy dia nahitana vono olona nahatsiravina loatra mantsy tany amin’ity kaominina ity hatramin’izay, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rajaonasolo Clovis Arthur. Noho ny hamaroan’ireo karazam-pivavahana misy ao an-toerana no mahatonga izany izay mampianatra ny isan-tokantrano hananana tahotra an’Andriamanitra.
 
Sahirana : Tojo fahasahiranana ireo mpiasam-panjakana any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka mikasika ny “avancement” sy ny vola fisotroan-drononon’ny zokiolona. Tonga mijery akaiky ny zava-misy any an-toerana ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny FAT izay namariparitra fa hisy manomboka izao ny tetikasa hahafahana manamaivana izany hanalana fahasahiranana ireo voakasika. Anisan’izany ny fikarakarana ireo antontan-taratasy rehetra ilaina. Mikasika ny televizionam-paritra TVM kosa dia fantatra ankehitriny fa tapaka nanomboka sabotsy 31 jolay lasa teo ny any amin’ity distrika ity.
 
Maina : Maina tanteraka ny tsena ho an’ireo mpivarotra kojakoja sy fitafiana ao Analakely. Efa saika mitodika any amin’ny fanangonana ny fitaovam-pianaran’ny mpianatra avokoa mantsy ny ray aman-dreny nanomboka ny sabotsy lasa teo ka azo isaina amin’ny rantsan-tanana ireo mividy fitafiana, indrindra ny vaovao.
 
Mbola vitsy : Mbola vitsy araka ny vaovao voaray ireo olona handeha haka vakansy tonga mamonjy fiara taxi-brousse etsy amin’ny fasan’ny karana. Ireo handeha hamonjy famadihan-drazana no efa misy saingy tsy dia maro ihany koa. Sahirana ny taxi-brousse iray vao mahafeno olona noho izany. Misy amin’izy ireny no voatery mandeha mitondra olona tsy ampy ankoatra ireo mitsoaka an-daharana.
 
Nilaza ho voahitsaka : Lehilahy iray sahabo ho 35 taona no nilaza ho voahitsaky ny fiara taxi-be 151 iray mampitohy an’i 67 ha amin’Androndra ny faran’ny herinandro teo. Teo Ambodirano no nisehoan’izany. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia tsy voahitsaka akory ity Rangahy ity fa natahotra ilay fiara nanakaiky azy loatra ka namonjy nianjera. Na izany aza naratra ihany izy saingy tsy dia natahorana loatra.
 
Feno : Tsy afaka mandray ireo zaza tsy ampy lanja teraka avy any amin’ireo hopitaly hafa namany ny hopitaly etsy Befelatanana araka ny fantatra. Noho ny hafenoan’ny toerana no mahatonga izany. Eo an-daniny anefa maromaro ireo zaza tsy ampy lanja teraka tato ho ato noho ireo tebiteby sy olana maro samihafa mianjady amin’ny renim-pianakaviana eo am-pitondrana vohoka.
Misondrotra ny vidin’entana : Misondrotra tsikelikely ny vidin’entana, indrindra ny vary. Eny amin’ny mpamongady dia ahitana fisondrotany 20 ka hatramin’ny 60 ariary ny kilao. Mitombo hatrany io any amin’ny mpaninjara ka ny mpanjifa no mizaka ny farany. Ny siramamy avy any afrika atsimo koa no tena niaka-bidy. Raha 95 000 ar ny iray gony 50 kg teo aloha dia lasa 100 000 ar eny amin’ny mpamongadiny. Ny mahatalanjona anefa dia toa ny mpivarotra no maro noho ny mpividy.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT