Voafonja : Nifarana ny sabotsy 31 jolay teo rehefa naharitra hateloana ilay atrikasa entina hanatsarana ny fiainan’ny voafonja ao amin’ny fonjaben’i Vatomandry. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana fiofanana ny voafonja mba hahatonga azy ireny tsy ho vesatry ny fiarahamonina aorian’ny fotoana hahavitany ny saziny. Tontosa tamin’io koa ny fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny hopitaly sy ny fonja ary ny Handicap International mikasika ny fikarakarana ny toe-pahasalaman’izy ireo.
Mponina : Ny rehetra no tokony hiara-dalana sy hifanome tanana amin’ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka. Io no teny nentin’ny ministry ny mponina, Nadine Ramaroson namehezana ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny mponina raha namarana izany teto an-drenivohitra izy ny sabotsy teo. Roapolo andro no nanamarihana ny fankalazana nahitana karazana hetsika maro samihafa toy ny fijerena akaiky ny fiainan’ireo vehivavy sahirana ara-pivelomana sy ny fanampiana ireo zokiolona.
Potika : Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny Andranonahoatra Itaosy ny sabotsy maraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tany ho any. Fiara madinika iray handeha haka solika teo amin’ny tobim-pivarotan-tsolika Galana no nipotsaka tsindry hisatra tampoka ka nifatratra tany amin’ilay toeram-pivarotana ambongadiny ampitan’ity tobim-pivarotan-tsolika ity. Tafatsofoka tao amin’ilay trano fivarotana ilay fiara vokatr’izany ka potika tanteraka ny varavarana mbola nihidy. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy.
Tokony ho mendrika : Takian’ny mponina any amin’ny Faritra Itasy ny hananan’ny mpitondra fitondran-tena mendrika. Toraka izany koa ny famolavolana ilay lalàmpanorenana vaovao mba tsy handiso fanantenana ny mpizaika. Ireo no anisan’ny nivoitra ho an’ity faritra ity nandritra ilay Dinika Santatra notanterahina manerana ny Nosy izay nifarana ny sabotsy teo. Notsindrian’izy ireo ihany koa fa tokony hohatsaraina ny fifandraisan’ny mpitondra sy ny vahoaka.
Lozam-pifamoivoizana : Araka ny fanampim-baovao azo farany dia zaza kely roa taona no nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Andilampotsy Ambatondrazaka ny alarobia 28 jolay teo, nentina fiara Sprinter Mpandeha efatra hafa maratra ary tsaboina tao amin’ny hopitaly Ambatondrazaka. Nanamarika ny loharanom-baovao fa nandray an-tanana ny lany na tamin’ny fandevenana ny maty na tamin’ny fitsaboana ny naratra ny tompon’ny fiara.
Manahy : Raha efa voafidy sahady kosa ho an’ny distrikan’i Mananjary ireo olona handeha hamonjy ilay fihaonambem-pirenena dia manahy ny amin’ny hahavery momoka ireo hevitra voaangon’izy ireo nandritra ilay Dinika Santatra notanterahina nandritra ny hateloana tany aminy ireo mpandray anjara tany amin’ny distrikan’Ambatoboeny. Tsy tokony hisy ho very ireo hevitra tapaka ho kosa ireo mpizaika tany Vohémar mba tsy ho fandaniam-potoana fotsiny iny.
Sarotiny : Sarotiny mafy tamin’ireo hevitra notinapaka nandritra ilay Dinika Santatra ireo mpizaika tao amin’ny boriborintany faharoa, kaominina Antananarivo renivohitra. Tsy hisy tokony ho latsaka, hoy izy ireo ny hevitra natolony na dia iray aza satria nandreraka no sady nandaniana fotoana betsaka.
Sarotra : Misedra olana ny ankamaroan’ireo ray aman-dreny vao hampiditra ny zanany an-tsekoly amin’izao fotoana. Efa saika feno avokoa mantsy ny ankamaroan’ny toerana. Manomboka amin’ny 04 ora maraina ny sasany dia efa milahatra eny anivon’ireo sekoly tsaratsara raha efa tsy mandray intsony ny sasany.
Any an-tanindrazany : Ny sabotsy no niainga teny amin’ny trano fonenany eny Antsahabe ny vatana mangatsiakan’ny renin’i Monja Roindefo, praiministry ny FAT teo aloha. Mbola handrasana herinandro vitsivitsy any amin’ny toerana niaviany ny razana araka ny fantatra vao halevina.
BEPC Miarinarivo : Nivaly omaly alahady 1aogositra ny fanadinana BEPC any amin’ny distrikan’i Miarinarivo faritra Itasy. Ny 1 170 amin’ireo 2 028 nanala no afaka, izany hoe ny 58,88%. Tao amin’ny foibem-panadinana Miarinarivo io, izay nahitana ny Ceg Analavory, Ifanja, Soamahamanina, Mandiavato ary i Miarinarivo. Niasa mafy tokoa ireo mpitsara satria ny alin’ny sabotsy tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany vao vita ny “délibération”.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.