Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 30 Jolay 2010


Dinika santatra : Ramatoa Gisèle Rabesahala no Raiamandreny mijoro nikarakara sy nanokatra tamim-pomba ofisialy ilay dinika santatra teny amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy omaly maraina. Manodidina ny 100 teo ho eo ireo mpandray anjara nahitana ireo antoko politika misy eny anivon’ireo kaominina 14 ankoatra ny TIM. Na izany aza, maro tamin’ireto farany no nandeha tamin’ny anaran’ny tenany sy ny fikambanana misy azy fa tsy tamin’ny anaran’ny antoko. 

Tetikasa ankizy Krismasy : Kilalao miisa 10.332 isa no nozarain’ny ONG TAK tamin’ireo ankizy ireo ankizy any Fenoarivo Atsinanana nanomboka ny volana jona lasa teo, tafiditra ao anatin’ilay tetikasa Ankizy Krismasy hiarahany amin’ny Ministeran’ny mponina. Hitohy any Mananara Avaratra ny fizarana rahampitso sabotsy 31 jolay arahin’ny fanentanana sy fampahafantarana ny Ray aman-dreny ny zon’ny ankizy.
 
Fanampiana : Renim-pianakaviana manan-janaka latsaky ny dimy taona miisa 70 no nizaran’ny tetikasa ho an’ny vehivavy ORN DIANA masomboly sy fitaovam-pamokarana toy ny angady afak’omaly tany amin’ny distrikan’Ambilobe. Ny tanjona dia ny hanamaivanana ny fahasahiranan’izy ireo manoloana ny fanatsarana sy fampivoarana ny fiainan’ny ankohonany.
 
Tafiditra tany an-tanànan’olona : Fiara 4x4 iray avy aty an-drenivohitra hihazo an’Itaosy omaly maraina no nipotsaka tsindry hisatra tampoka teny am-pandehanana ka nifatratra avy hatrany tany an-tokotanin’olona mifefy tamboho biriky, ampitan’ny Lycée Arcade eo amin’ny Dalle. Vokany, naratra mafy ilay mpamily ary niala tanteraka tamin’ny toerany ireo kodiarana roa an’ilay fiara 4x4 eo aloha.
 
Mafotaka : Mafotaka ny fanadiovana ireo arabe hizoran’ireo fiarabe mitaona ny fako sy ny loto avy ao amin’ny lakandranon’Andriantany etsy Ampefiloha. Mpiasan’ny kaominina miisa 10 no indray nanatontosa ny asa omaly maraina no sady namafa ireo ranom-potaka mandriaka eny amin’ny arabe.
 
Fanomezana : Fotsimbary 20 kapoaka isan-tokantrano niampy ranomboakazo tavoahangy iray isanisany no natolotry ny ministry ny mponina Nadine Ramaroson ho an’ireo zokiolona mihoatra ny 100 taona sy ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana any amin’ny distrikan’Ihosy afak’omaly nandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny mponina notontosaina tany amin’ity distrika ity. “Omentsika hasina ny sosialim-bahoaka”, no lohahevitra nitondrana ny hetsika.
 
BEPC : Nilamina ny fiatrehan’ny mpiadina ny fanadinana BEPC nandritra ny hefarana ho an’ny distrikan’i Mahabo. Nahatratra 460 isa ny mpiadina tonga niatrika izany niparitaka tamina foibem-panadinana telo. Ireo nisafidy ny sojaky B no tena maro an’isa ho an’ny tany an-toerana raha oharina tamin’ireo nisafidy ny sokajy A. Efa mandeha ny fitsarana ny adina amin’izao fotoana izao. Amin’ny alalan’ny solosaina no hikirakirana ny naotin’ny mpianatra.
 
Mody adala sa nampirisihina ? Zazavavy kely sahabo ho 10 taona eo ho eo no mody nianjera tamina fiara fitateram-bahoaka 117 iray teny Androndra Ampamantanana afak’omaly hariva raha iny handeha hanainga iny ilay fiara. Tsara Zanahary anefa ilay mpamily ka tsy voahitsaka ilay zaza na dia nianjera mafy teo akaikin’ilay kodiarana aza. Nitsoaka nandositra avy hatrany ity zaza ity taorian’izany.
 
Iray volana aty aoriana : Omaly vao nankalaza ny fetin’ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena sy ny faha-50 taonan’ny foloalindahy Malagasy ny teo anivon’ny Primatiora. Tao amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo no nanatontosana izany, notarihin’ny Praiministra Camille Vital mivady niaraka tamin’ny “bataillon de sécurité de la primature”.
 
Entana mora : Miparitaka ny lokomena amin’ny vidiny 300 Ar eny Analakely eny. Vita sinoa ireto lokomena ireto misy ny loko rehetra. Ny hany mampanahy ny mpividy dia ny aretina mety ho azo avy amin’ny fampiasana azy ireny. Tsy vitsy mantsy ireo vehivavy tratra izany tato ho ato ary nitondra takaitra avokoa.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT