Miantso ny FAT : Manao antso avo amin’ny fitondrana FAT ny amin’ny tokony hampiharana ilay didy hitsivolana nivoaka tamin’ny 06 oktobra taona 2009 ireo mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny oniversiten’i Toliara mikasika ny fandoavana ny tambin-karaman’izy ireo. Tsy tokony hijanona ho didy fotsiny izany, hoy izy ireo fa hampiharina mihitsy.
“Bois de rose” : Nahatrarana “bois de rose” indray teny amin'ny seranam-piaramanidina teny Ivato ny zoma lasa teo. Baoritra fito no nisy ireo hazo ireto. Tamin'ny filazana an-taratasy dia nilaza ireo olona nitondra ny entana fa voamboana no tao. Rehefa nosavaina anefa ireo baoritra dia «bois de rose» avokoa no tao. Saika hoentina any Bangkok ireto hazo ireto ary Sinoa telo no nampitondrainy azy ireo. Mbola mitohy araka izany ny famotorana mikasika ity tranga teny Ivato ity.
Mampandry adrisa : Mbola mitohy ihany ny fampandriana adrisa ny vahoaka na dia efa mihatra amin’ny akalana aza ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Arivonimamo, Rakotomanjato Rodin, mikasika ny kabarin’ny filohan’ny FAT tany Mahajanga.
Tsy an-kanavaka : Nahazo fanasana avy amin’ny kaominina Ambohidratrimo ny solombavambahoaka Raharinaivo Andrianatoandro hanatrika sy handray anjara amin’ilay dinika santatra hotontosaina eny an-toerana manomboka rahampitso, na dia tsy mponina eny aza. Ho an’ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, Rajaonasolo Clovis mantsy dia natao ho an’ny olon-drehetra ny Dinika Santatra ka tsy tokony hisy fanavakavahana.
Ny eo ihany no eo : Ny zavatra efa nisy teo aloha ihany no avadibadiky ny fitondrana FAT ary iderany tena ho tompon-kevitra. Izany no fahatsapan’ny mponina any amin’ireo toerana izay lalovan’izy ireo rehefa misy fitokanana fotodrafitrasa na lanonana mifandraika amin’izany. Mandeha hatrany ny kobaka am-bava nefa fandaharan’asan’ny fitondrana teo aloha avokoa no alainy tahaka. Tsy lazaina intsony ny fihazakazahan’izy ireo mitokana ireo fotodrafitrasa namboarin’ny fitondrana teo aloha.
Bepc : Niisa 4.745 ny mpiadina BEPC ho an’ny Cisco Toamasina I ka zazavavy 12 taona no zandriny indrindra ary lehilahy 45 taona no zokony indrindra kosa. Ny sokajy B no betsaka mpiadina izay miisa 3.297 raha miisa 1.448 ny eo amin’ny sokajy A. Nilamina ny fanadinana amin’ny ankapobeny ary kasaina hivoaka ny herinandro ho avy io ny valim-panadinana.
Tratra : Saron’ny polisy nasionaly tany Ambilobe, faritra DIANA ireo dahalo efa-dahy mitatitra omby velona halatra amin’ny alalan’ireny fiara fitondrana trondron-dranomasina ireny. Tamin’ny alalan’ny loharanom-baovao avy amin’ireo olon-tsotra tsara sitrapo no nahatrarana azy ireo. Distrika efatra no tena lasibatra dia Ambanja, Antsiranana I sy II ary Ambilobe nahatrarana azy ireo. Angalariny ny omby ary tateriny amin’ny fiara toy ny mitatitra trondro avy eo. Nampidirina am-ponja vonjimaika ny telo tamin’izy ireo raha mbola hanaovana fanadihadiana kosa ny iray.
Naratra mafy : Tovolahy iray nitondra bisikileta no nifatratra tany ambany tetezana ny alatsinainy hariva teo, teny Ambodimita, raha iny nandeha mafy hihazo an’Andranomena iny.Tsy fantatra mazava izay nahatonga ny loza. Vokany, naratra mafy ilay tovolahy. Potika ihany koa ilay bisikileta.
Nihaona : Any Vavatenina hatramin’ny alatsinainy ireo mpikambana eo anivon’ny voamieram-pirenena momba ny fifidianana na ny CENI. Fihaonana tamin’ireo ankolafy telo no nisantarany ny diany tamin’io andro io nanazavany ny antom-pisian’ny CENI sy ny andraikiny. Tafiditra tao anatin’izany ny fanazavana ny mikasika ny antony hananganana ny rantsamangaikan’ny CENI eny anivon’ny distrika.
Fampidirana herinaratra : Mitaraina amin’ny fampidirana herinaratra eny anivon’ny Jirama ny mpanjifa. Misy amin’izy ireo no efa nandoa vola tamin’ny taona 2008 saingy mbola tsy tonga ihany ny jiro mandraka androany. Antony mahatonga izany araka ny vaovao voaray ny tsy fanomezan’ny fitondrana Fat fahefahana ny jirama hahafahana mamoaka vola hividianana compteur.
Lasa fanasana fiara : Lasa fanasana fiara no niafaran’ilay lalan’ny fiara hiakatra ho any amin’ny orinasa Mbs Anosipatrana. Misy soratra mihitsy hoe “Manao lavage eto” eny an-toerana. Ny mampalahelo koa dia efa voaongotra ny ankamaroan’ireo vy makarakara miaro ny lalan-drano amin’io lalana io ihany. Raha fehezina dia atao tantely afa-drakotra tanteraka ankehitriny raha vao fantatra fa fananan’ny filoha teo aloha.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.